Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Torohevitra Ho An’ny Mpiasa

    Izao no holazaiko amin’ireo rehetra efa hanatanteraka asa misiônera manokana miaraka amin’ny fanomanana antaratasy mandritra ilay fampielezan-kevitra mikasika ny asa fanangonam-bokatra amin’ny fotoam-pijinjana: Aoka hazoto tsara eo amin’ny fanaovana ezaka; aoka hiaina eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ampitomboy isan’andro ny fanandramanao eo amin’ny fanarahana an’i Kristy. Aoka ireo manana fahaizana manokana hiasa ho an’ireo tsy mpino manana toerana ambonimbony sy ireo manana toerana ambanimbany kokoa eo amin’ny fiainana.FK 237.2

    Aoka havitrika eo amin’ny fitadiavana ireo fanahy an-dalampahaverezana. O, hevero ilay faniriana lalina tao amin’i Kristy mba hamerina ao am-balany indray ireo efa nania! Ambeno ireo fanahy maro, toy ny hoe misy tatitra tsy maintsy ataony. Aoka ny fahazavanao hamirapiratra eo amin’ny fiangonanao sy ny asa misiônera atao amin’ny manodidina, toy ny taratra mazava sady tsy miovaova. Amin’izany dia tsy hisy olona hijoro eo amin’ny fitsarana ka hilaza hoe: “ Nahoana no tsy nambaranao tamiko izany fahamarinana izany? Nahoana no tsy nokarakarainao ny fanahiko?” Koa aoka àry isika hazoto tsara amin’ny fizaràna ireo lahatsoratra efa voaomana tamim-pahamalinana tsara mialoha ho an’ireo tsy mbola ao anatin’ny finoantsika.FK 238.1

    Aoka hohararaotintsika avokoa ny tombontsoa rehetra mba hisarihana ny sain’ny tsy mpino. Aoka hataontsika tonga eny am-pelatanan’izay rehetra handray azy ny lahatsoratra. Aoka hanokan-tena isika ho an’ny fanambarana ny hafatra, “ Manamboara lalambe any an-efitra ho an’i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho anAndriamanitsika.” - MS 2, 5 Jona 1914.FK 238.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents