Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 13 - Ny Asan’ny Pejy Voasoratra

    Asa Manan-Danja Indrindra

    Raha misy asa manan-danja noho ny sasany, dia ny asa fampielezana ireo bokintsika amin‘ny olona, ary izany dia mitarika azy ireo hitady ny Soratra Masina. Ny asa misiônera - mitondra ireo bokintsika any amin‘ireo fianakaviana, mifampidinika sy mivavaka ho azy ireo - dia asa tsara. - CEv, t. 80.FK 204.1

    Aoka ny mambra Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tsirairay hanontany tena hoe: — Inona no azoko atao mba hanambarana ny hafatry ny anjely fahatelo? Tonga teto amin‘izao tontolo izao i Kristy mba hanome io hafatra io ho an‘ny mpanompony izay hanolotra izany ny fiangonana. Io hafatra io dia natao hotorina amin‘ny firenena, ny foko, ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra. Ahoana no ahafahantsika manao izany? Fomba iray ny fanapariahana ireo asa soratsika izay mitory ny hafatra. Aoka ny mpino tsirairay hampiely trakta, sombin-dahatsoratra sy boky mirakitra ny hafatra ho an‘izao vaninandro izao. Ilaina ireo mpampiely boky izay hialoha lalana hanapariaka ireo bokintsika na aiza na aiza. - SW, 5 Jan. 1904.FK 204.2

    Ny pejy voasoratra sy ny boky no fomba entin‘ny Tompo mitahiry mandrakariva eo anoloantsika ny hafatra ho an‘izao vaninandro izao. Amin‘ny alalan‘ny fanazavana sy fanamafisana orina ny fanahy ao amin‘ny fahamarinana, dia mahatontosa asa lehibe noho ny toriteny fotsiny ny fampielezam-boky. Ireo mpitondra hafatra tsy miloa-bava izay tafapetrak‘ireo mpampiely boky any amin‘ireo tokantrano samihafa dia hampahatanjaka ny asa fitoriana ny filazantsara na amin’fomba ahoana na amin‘ny fomba ahoana; satria ny Fanahy Masina dia hiasa ao amin‘ny sain‘ireo izay hamaky izany tahaka izay ataony amin‘ireo izay mihaino ny fitoriana ny Teny. Asa fanompoana iray ihany no ataon‘ireo anjely izay miambina ireo boky mirakitra fahamarinana sy miambina ny asan‘ireo mpitoriteny. - TFC, b. 6, tt. 315, 316.FK 204.3

    Aoka tsy havela ho fara hidiny ny asa fampielezam-boky. Aoka hatao maro araka izay tratra ny boky miparitaka izay mirakitra ny fahamarinana ankehitriny. Aoka handray andraikitra amin’izany ireo lehiben‘ireo foibentsika sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. - SW, 25 Apr. 1905.FK 205.1

    Ilain‘izao tontolo izao ny mandray ny fahazavan‘ny fahamarinana amin‘ny alalan’asa fitoriana ny filazantsara ataon‘ireo teny voarakitra ao amin‘ireo boky sy gazetintsika. Ireo bokintsika dia tokony haneho fa antomotra ny faran‘ny zava-drehetra. - CEv, t. 100.FK 205.2

    Miantso ny vahoakany Andriamanitra mba hiasa toy ny olona miaina, mba tsy hitsilamodamoka, halaina sy tsy hiraika. Tsy maintsy entintsika any amin‘ny olona ireo boky ary mitaona azy ireo mba hanaiky izany - SW, 25 Apr. 1905.FK 205.3

    Efa mamafy ny voan’filazantsara ireo bokintsika, ary izy ireo dia fitaovana mitaona fanahy ho an‘i Kristy mitovy lenta amin‘ny toriteny. Fiangonana maro no mitsangana vokatry ny fiparitahan‘izy ireo. Afaka mandray anjara amin‘izany asa izany ny mpianatr‘i Kristy tsirairay - RH, 10 Jona 1880.FK 205.4

    Nisy mpitondra hafatra avy any an-danitra nijoro teo an‘ivonay, ary nilaza teny fampitandremana sy toro lalana. Nohazavainy tsara taminay fa ny filazantsaran‘ny fanjakan’Andriamanitra no ilain‘izao tontolo izao mba tsy ho very izy, ary io hafatra io, izay voarakitra ao anatin‘ireo bokintsika efa voatonta, sy ireo izay mbola hatonta, dia tokony hapariaka amin’olona akaiky na lavitra. - TFC, b. 9, t. 67.FK 205.5

    Ny asan’boky no tokony hizara haingana amin’izao tontolo izao ny fahazavan’fahamarinana ankehitriny - TFC, b. 9, t. 69.FK 206.1

    Miasa mafy i Satana eo amin’io sehatra io, manaparitaka asa soratra mampitotongana ny môraly sy manapoizina ny sain’tanora izy. Miparitaka malalaka manerana ny firenena ny boky tsy mendrika. Nahoana ny mambra tsirairay no tsy liana amin’fizaràna ireo asa soratra izay mampakatra ny sain’olona sy mitondra mivantana ny fahamarinana amin’izy ireo? Hanazava izao tontolo izao ireo trakta sy sombin-dahatsoratra, ary matetika izy ireo no fitaovana nampiova fo. - RH, 10 Jona 1880.FK 206.2

    Tena natoritory isika raha ny mikasika ny asa azo atao eo amin’fampielezana asasoratra voaomana tsara. Andeha isika ankehitriny, amin’alalan’ireo boky sy gazetiboky, hitory ny Teny amin-kery sy fahavononana, mba ho azon’izao tontolo izao ny hafatra izay nomen’i Kristy an’i Jaona tao amin’nosy Patmôsy. - CEv, t. 101.FK 206.3

    Ry mambran’fiangonana, aoka ho tonga saina ianareo amin’maha-zava-dehibe ny fampielezam-boky, ary manokana fotoana misimisy kokoa ho an’izany asa izany Apetraho any amin’ireo tokantrano ny taratasy sy trakta ary boky izay hitory ny filazantsara amin’fomba samihafa. Tsy tokony hisy fotoana very. Aoka ho maro ny hanolo-tena antsirapo sy amim-pamoizan-tena ho amin’asa fampielezamboky, ary amin’izany dia hanampy hampanakoako ny fampitandremana izay tena ilaina ankehitriny. Rehefa hotanterahin’fiangonana ny asa izay tokony hataony dia handroso izy ary «hanjopiaka tahaka ny volana, hazava tahaka ny masoandro, ary hahery vaika tahaka ny tafika milanja faneva.” - SW, 20 Nov. 1902.FK 206.4

    Ny fahazavan‘ny fahamarinana dia manaparasaka ny tarany manjelatra eo amin‘izao tontolo izao amin‘ny alalan‘ny asa misiônera. Ny asa printy dia fitaovana iray hahatrarana ireo maro izay tsy afaka ny ho tratra amin‘ny alalan’toriteny. - TFC, b. 5, t. 388.FK 207.1

    Madiva hifarana ny alim-pisedrana. Efa mampiasa ny heriny rehetra i Satana satria fantany fa kely sisa ny fotoany. Efa mitatao eo amin‘izao tontolo izao ny famaizan’Andriamanitra, mitaona ireo rehetra mahalala ny fahamarinana mba hialoka ao ambanin‘Ilay Vatolampy, ary hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Ankehitriny dia tsy tokony hotakontakona ny fahamarinana. Tsy maintsy ambara mazava izany. Tsy maintsy ambara ny fahamarinana tsy misy fanarontsaronana, amin‘ny alalan‘ny asasoratra samihafa, ary ireny dia tokony hapariaka toy ny ravinkazon-dohataona. - TFC, b. 9, t. 231.FK 207.2

    Ilaina ireo mpampiely boky mba hanatanteraka ny asa fitondrana ireo mpitondra hafatra tsy miloa-bava any amin’olona, - mpampiely boky izay mahatsapa fa tompon’andraikitra izy manoloana ireo fanahy maro, ary afaka manambara teny sahaza amin‘ireo izay mikatsaka ny fahamarinana. Mety hisy hilaza hoe: — Izaho tsy Pasitora; tsy mahay mitory teny aho, mety tsy ho afaka hitory teny ianao, nefa afaka ny ho mpitory ny filazantsara, manome izay ilain’ireo olona hifandraisanao; afaka ny ho tanan’Andriamanitra manampy ianao, miasa toy izay nataon‘ireo mpianatra; azonao atao ny manontany raha tia ny Tompo Jesôsy ireo mifanehitra aminao. - SW, 20 Nôv. 1902.FK 207.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents