Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Vahoaka Mainty Hoditra

    Misy saha lehibe tsy niasana eto amin’ity firenena ity. Dia ny vahoaka mainty hoditra, izay miisa an’arivorivony, ka mitaky fikarakarana sy fiantran’ny tena mpino marina an’i Kristy. Tsy monina any amin’ny firenena hafa ireny olona ireny, ary tsy miankohoka amin’ny sampy hazo sy vato. Monina eny anivontsika izy, ary matetika no miantso ny fahalianantsika ho amin’izy ireny Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika ka milaza amintsika fa misy olona maro voailikilika. Mivelatra tsy iasana eo anoloantsika io saha lehibe io, mitaky ny fahazavana efa nankinin’Andriamanitra amintsika. - TFC, b. 8, t. 205.FK 305.1

    Rindrina fampisarahana maro no efa natsangana hanelanelana ny fotsy sy ny mainty. Hirodana ho azy tahaka ny rindrin’i Jerikò ireo rindrin’ny hevitra mibahana ireo rehefa mankatò ny tenin’Andriamanitra ny Kristianina. Dia ny tenin’Andriamanitra izay mametraka ao aminy fitiavana fara tampony an’ilay Mpahary azy sy fitiavana tsy miangatra ho an’ny mpiara-monina aminy (...) Andeha ny mambran’ ny fiangonana tsirairay izay milaza ho mpino ny fahamarinana amin’izao fotoana izao hijery ireo firazanana atao tsinontsinona sy ampahorina, izay noho ny fanandevozana dia nesorina taminy ny tombontsoa hihevitra ny momba azy sy hiasa ho an’ny tenany. - RH, 17 Des. 1895.FK 305.2

    Andeha isika hanainga ny tenantsika hanao asa ho an’ireo olona any amin’ny firenena tandrefana. Andeha isika tsy hifaly amin’ny fijerena fotsiny, amin’ny fanomezana ireo vahaolana izay tsy tanterahina velively; fa andeha isika hanao zavatra amin’ny fo ho an’ny Tompo, hanamaivanana ny alahelon’ireo rahalahintsika mainty hoditra. - RH, 4 Feb. 1896 .FK 306.1

    Voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana mifanila amin’ny anaran’ ny fotsy hoditra ny anaran’ny mainty hoditra. Iray ny rehetra ao amin’i Kristy. Tsy afaka hanandratra na hampietry ny olona ny nahaterahany, ny toeram-piasany, ny firenena iaviany, na ny volon-kodiny. Ny toetra no maha-olona ny olona. Raha manolotra ny fony ho amin’ny fankatoavana sy ny finoana an’Andriamanitra ny lehilahy iray manana volonkoditra mena, ny lehilahy sinoa iray, na afrikanina iray, dia tia azy i Jesôsy na eo aza ny volon-kodiny. Ary antsoiny hoe rahalahiny malalany izy. - TSW, t. 8, 20 Mar. 1891.FK 306.2

    Ho avy ny andro hifalian’ny mpanjaka sy ny olon’Andriamanitra eto an-tany hifanakalo toerana amin’ireo Afrikanina manetry tena indrindra izay mihazona sy miorina eo amin’ny fanantenana ny filazantsara. - TSW, t. 8, Mar. 20, 1891.FK 306.3

    Tsy ataon’Andriamanitra ambanin-javatra noho ny fikarakarany ny Isiraely ny fanahin’ireo Afrikanina izay mety ho azo hanompo Azy. Mitaky betsaka lavitra amin’ny olony Izy mihoatra izay efa nomeny Azy tamin’ny asa misiônera teo amin’ny olona avy any amin’ny firenena tatsimo amin’ny saranga rehetra, indrindra ny mainty hoditra. Moa tsy mahery kokoa ny hery manosika antsika hiasa amin’ireo mainty hoditra noho ireo nahazo tombontsoa ambony dia ambony? Iza moa no mihazona ireo olona ireo ao amin’ny fanompoana? Iza no nihazona azy tao amin’ny tsy fahalalana? (...) Raha ambaniana ny firazanany, raha maharikoriko ny fahazarany sy ny fombany, iza no nahatonga azy ho toy izany? Moa tsy nisy fiantraikany betsaka taminy ny avy amin’ireo fotsy fihodirana? Aorian’ny fahadisoana lehibe natao taminy, moa tsy tokony hisy ezaka lehibe atao hanandratana azy? Tsy maintsy entina eo aminy ny fahamarinana. Manana fanahy hovonjena tahaka ny antsika koa izy. - TSW, tt. 11, 12, 20 Mar. 1891 .FK 306.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents