Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fototry Ny Fomba Fanombanana

    Afatra amin’ny alalan’ny fanahy izay niantefany ny tombambidin’ny fanompoana, fa tsy amin’ny halavan’ny fe-potoana lany nandritra ny asa. — TFC, b .9, t. 74.FK 372.4

    Miankina amin’ny fivoaran’ny talenta nomena ny fahombiazana mialoha ny fiainana ao amin’Andriamanitra. Arakaraka ny fahamendrehana sy ny fahamatorana nentiny nanompo Ilay Tompo Lehibe ny valisoa ho avy omena azy. — RH, 01 Mar. 1887.FK 372.5

    Manana asa lehibe atao ny Tompo, ary hamela lova be indrindra ho an’izay mahatoky indrindra sy miasa amimpaharisihana eo amin’ny ankehitriny Izy any amin’ny fiainana ho avy (...)HF, t. 285.FK 372.6

    (...) Ireo izay tonga tao amin’ny tanimboaloboka tamin’ny ora fahiraikambinifolo dia feno fisaorana noho ny fotoana mbola nahazoany miasa. Feno fankasitrahana ny fony ho an’ilay nanaiky azy; ary rehefa hariva ny andro ka nanome azy karama mifanaraka amin’ny asa indray andro manontolo ilay tompontany, dia gaga indrindra izy ireo. Fantany mantsy fa tsy tokony ho nahazo karama toy izany izy. Ary ny fahalemem-panahy nisoritra teo amin’ny endriky ny mpampiasa azy dia nameno fifaliana azy Tsy hadinoiny na oviana na oviana ny hatsarampanahin’ny tompon-tany sy ny valin-kasasarana noraisiny tamim-pahalalahan-tanana.FK 373.1

    Toy izany koa amin’ny mpanota izay mahatsapa ny tsy fahamendrehany ka miditra ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo amin’ny ora fahiraikambinifolo. Toa fohy ny fotoana nanompoany, mahatsapa izy fa tsy tokony handray valisoa. Nefa ny fiheverana fa nanaiky azy Andriamanitra na dia izany aza dia nameno fifaliana ny fony. Miasa amin’ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fahatokisana izy sady feno fisaorana noho ny tombontsoa amin’ny maha-mpiara-miasa amin’i Kristy azy. io no toe-tsaina tian’Andriamanitra homemboninahitra. - HF, t. 350 .FK 373.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents