Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoitra Azo Antoka

    Misy fanafody mahomby ho an’ ireo izay manana fo kivy, dia: ny finoana, ny fivavahana, ny asa. Ny finoana sy ny asa dia manome fahatokiana sy fahafaham-po mitombo isan’ andro isan’ andro. Moa alaim-panahy hanaiky hotarihin’ fanahiana manjombonjombona n any fahakiviana lalina ve ianao? Eo amin’ andro maizina indrindra izay iheverana fa toa manohitra anao avokoa ny zava-mitranga, dia aza matahotra. Minoa an’ Andriamanitra. Fantany izay ilainao. Mahery indrindra Izy. Ny fitiavany sy ny fangorahany tsy hita lany dia tsy mety tofoka na oviana na oviana. Aza matahotra fa sao dia tsy mahatanteraka ny teny fikasana nomeny Izy; Izy no fahamarinana mandrakizay Tsy hanafoana na oviana na oviana ny fanekena nifanaovany tamin’ ireo izay tia Azy Izy. Homeny ny mpanompony mahatoky izay ilainy. - MM, t. 132.FK 151.1

    Misy fanafody tokana tena natao ho an’ fahalainana arapanahy, tsy inona izany fa ny asa, dia ny fiasana ho an’ireo fanahy mila ny fanampianao. - TFC, b, 4, t. 236.FK 151.2

    Misy taharo efa nomen’i Kristy ho an’fanahy kanosa sy be ahiahy ary mangovitra. Aoka ny feno alahelo, izay mitanondrika eo anatrehan’ Andriamanitra, hitraka ka handeha hanampy ireo izay mila izany. - TFC, b. 6, t. 266.FK 151.3

    Ny Kristianina izay mitombo mandrakariva amin’ zotompo, sy ny faharisihana ary ny hafanam-po sy ny fitiavana, dia tsy mba hanindroany na oviana na oviana eo amin’ fahadisoana izay efa nataony - RH, 7 Jona 1887.FK 151.4

    Ireo izay tsy mirotsaka an-tsehatra amin‘io asa mafy tsy misy fitiavan-tena io, dia tsy hanana afa-tsy fanandramana marefo, ary hanjary ho trotraky ny fitolomana, ny fanahiana, ny fimonomononana, ny fahotana, ary ny fibebahana, mandrapahatongany tsy hahalala intsony ny tena hevitry ny atao hoe fivavahana. Mahatsiaro ho tsy afa-miverina eo amin‘ny tontolo misy azy izy, hany ka misarangotra amin-javatra tsy dia misy antony loatra, velom-pialonana sy fitsiriritana madinidinika eny izy, diso fanantenana sy feno fanenenana tsindraindray eny. Mora dia mora aminy tokoa ny mahita fahadisoana, hany ka mahafa-po azy ny mitsikera ny fahadisoana sy ny heloky ny rahalahiny. Tsy misy fanantenana sy finoana ary masoandro mihiratra ny fanandramany eo amin‘ny fiainam-pivavahana. - RH, 2 Sept. 2 1890.FK 152.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents