Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoharana Mihatra

    Ireo fitsipika roa lehiben’ny lalàn’Andriamanitra dia ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra ary ny fitiavana tsy miaro fitiavan-tena ny namana. Miantona sy miainga avy amin’ireo fitsipika roa ireo ny didy efatra voalohany sy ny enina farany. Nohazavain’i Kristy tamin’ilay mpahay lalana ny atao hoe namany ao amin’ilay fanoharana momba ny lehilahy iray niainga avy tany Jerosalema ho any Jerikô. Azon’ny jiolahy izany lehilahy izany, nendahan’ ireo ny lambany ka nokapohiny izy ary efa saika maty. Nahita ny nanjo io lehilahy io ny mpisorona sy ny Levita saingy tsy nanaitra ny fon’izy ireo izany. Nolalovany fotsiny izy Nandalo teo amin’izay nisy azy koa ny Samaritana anankiray. Vantany vao nahita ny fahorian’ity vahiny ity anefa izy, dia tsy nanontany akory ndrao havany izy, na mpiray firenena aminy, na koa mpiray finoana aminy. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany izy hamonjy ny tra-doza, satria misy asa tsy maintsy atao. Nokarakarainy tsara araka izay tratrany izy, nampitaingeniny teo amin’ny bibiny, ary nentiny ho any an-tranom-bahiny ka izy ihany no nandoa ny vola momba ny fitsaboana rehetra.FK 270.3

    Ilay Samaritana hoy i Kristy, no naman’ilay lehilahy azon’ny jiolahy. Ny Levita sy ny mpisorona dia maneho sokajin’olona ao amin’ny fiangonana, izay mampiseho tsy firaihana amin’ireo izay tena mila indrindra ny fiheverany sy ny fanampiany. Mpandika lalàna io sokajy io na eo aza ny toerana tanany eo amin’ny fiangonana. Ilay Samaritana kosa mampiseho sokajin’olona izay tena mpiara-manampy marina amin’i Kristy, ka manaraka ny ohatra navelany amin’ny fanaovana soa.FK 271.1

    Ireo mangoraka ny malahelo, ny jamba, ny kilemaina, ny trapahoriana, ny mpitondratena, ny kamboty, ary ny sahirana, no ambaran’i Kristy ho mpitandrina ny didy, ary handova ny fiainana mandrakizay (...) Ny asam-pamindrampo sy fanampiana tsy mitady valiny ary ny fiheverana lalina atao amin’ny malahelo sy ny jamba ary ny kilemaina, ny trapahoriana sy ny mpitondratena ary ny kamboty, dia heverin’i Kristy ho toy ny tanterahina Aminy mihitsy. Voatahiry ao amin’ny boky firaketan’ny lanitra ireo asa ireo ary ho voavaly soa tokoa. Misy boky firaketana anankiray koa anefa etsy an-daniny, izay manameloka an’ireo mampiseho ny tsy firaihan’ny mpisorona sy ny Levita manoloana ny sahirana, ary koa ireo izay manararaotra ny fahorian’ny hafa sy mampitombo izany mba hahazoana tombontsoa. Azo antoka ny hamalian’Andriamanitra ny tsy fahamarinana rehetra sy ny fanehoana tsy firaihana sy tsirambina rehetra atao amin’ny malahelo eto amintsika. Hovaliana araka izay nataony avokoa ny olon-drehetra amin’ny farany. - TFC, b. 3, tt. 511-513.FK 272.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents