Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Misy Fotoana Ho Amin’ny Fangatahana Andro

    «Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah, eny efa antomotra sy mihafaingana» - Zef. 1:14. Ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ Filazantsara ny tongotrareo. - TFC, b. 9, t. 48.FK 109.2

    Ny mambran‘ny fiangonana dia tokony (...) ho vonona mandrakariva hirotsaka hiasa ho fankatoavana ny baikon‘ny Tompo. Na aiza na aiza ahitantsika asa miandry ny hatao, dia tokony horaisintsika sy hataontsika izany, mijery mandrakariva an’i Jesôsy (...) Raha ny mambran’fiangonana tsirairay no misiônera velona, dia ho voatory haingana any amin’izay monina ambonin’tany rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra ny filazantsara. - TFC, b. 9, t. 32 .FK 109.3

    Manakaiky ny fikatonan‘ny tantaran’tany. Misy asa lehibe eo anoloantsika, - asa famaranana ny fanomezana fampitandremana farany ho amin‘izao tontolo izao feno fahotana. Misy olona izay hoesorina hiala amin’angadin‘omby, avy ao amin‘ny tanimboaloboka, avy amin’sampan‘asa maro samy hafa, ary hirahin‘ny Tompo hanome ny hafatra ho an‘izao tontolo izao. - TFC b. 7, t. 270.FK 110.1

    Ampanenoy ny fampitandremana manerana ny tany. Lazao amin‘ny olona fa antomotra ny andron‘ny Tompo eny antomotra sy mihafaingana. Aoka tsy hisy avela ho tsy nandre fampitandremana na iray aza; Mety ho eo amin‘ny toeran‘ny fanahy ory izay ao anatin‘ny fahadisoana isika; mety hapetraka eo anivon‘ny barbarianina ianao. Araka ny fahamarinana izay noraisintsika mihoatra noho ny an‘ny hafa dia manan-trosa isika ny hizara izany amin’izy ireo. - TFC, b. 6, t. 22.FK 110.2

    Ranadahy sy rahavaviko isany, tara loatra raha manokana ny fotoananao sy ny herinao amin’fanompoana ny tena ianao. Aoka tsy havelanao ny andro farany hahita anao tsy manana ny haren-tsarobidin‘ny lanitra. Tadiavo izay handrosoan‘ny fandresen’hazo fijaliana, tadiavo izay hanazavana ireo fanahy, miasà ho famonjena ny mpiara-belona aminao, ary haharitra amin‘ny fisedran‘ny afo ny asanao. - TFC, b. 9, t. 56.FK 110.3

    Tsy maintsy omentsika haingana ity hafatra ity, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika. Ho voatery, tsy ho ela intsony, amin‘ny fanapahan-kevitra lehibe ny olona, ary adidintsika ny mijery raha nomena ny fotoana mety azony nohararaotina hahatakarana ny fahamarinana, mba hahafahan‘izy ireo miandany amim-pahalalana amin‘ny marina. Mangataka ny vahoakany mba hiasa ny Tompo hiasa amim-kafanam-po sy fahendrena raha mbola maharitra ny androm-pahasoavana. - TFC b. 9, tt. 126,127.FK 110.4

    Tsy manana fotoana hariana isika. Akaiky ny farany. Tsy hoe ela intsony ny fandehanana amin’toerana anankiray ho any amin’toerana hafa hanaparitaka ny fahamarinana dia hofefen’loza eo ankavia sy eo an-kavanana. Hapetraka hanakan-dalana ny mpitondra hafatry ny Tompo ny zavatra rehetra, mba tsy ho afaka hanao izay azony atao ankehitriny izy ireo. Tsy maintsy miatrika araka ny tokony ho izy ny asa eo anoloantsika isika, ary handroso haingana araka izay azo atao amin’fanafihana. Fantatro avy amin’fahazavana izay nomen’Andriamanitra ahy fa ny herin’maizina dia miasa amin’tanjaka mahery vaika eto an-tany, ary mandroso tsy re tsaika mba handrombaka ireo izay matory, tahaka ny amboadia mandrombaka ny hazany. Manana fampitandremana izay azo omena isika ankehitriny, asa izay azontsika atao amin’izao fotoana izao; kanefa tsy ho ela intsony dia ho sarotra kokoa noho izay azontsika eritreretina izany. Hanampy antsika mba ho fantsom-pahazavana mandrakariva Andriamanitra, mba hiasa amin’maso mifantoka amin’i Jesôsy Mpitarika antsika, ary amim-paharetana sy fikirizana no handrosoana hahazoana ny fandresena. - TFC b. 6, t. 22.FK 111.1

    Misy loza mitatao amin’fangatahana andro. Mety tsy ho hitanao intsony io fanahy izay mety ho hitanao anio io, na io fanahy izay tokony ho nanokafanao ny Soratra Masina. Nanomana harato ho amin’tongony i Satana, ary rahampitso dia mety hanatanteraka ny drafitr’ilay fahavalon’Andriamanitra raindahiny izy. Nahoana no mangataka andro na indray andro fotsiny aza? Nahoana no tsy mandeha miasa dieny izao? - TFC, b. 6, t. 443 .FK 111.2

    Takina amin’mpanaraka an’i Kristy nandritra ny taonjato rehetra ny fiambenana sy ny fahatokiana; kanefa ankehitriny, satria mijoro eo amoron’tontolo maharitra mandrakizay isika, dia tokony hihazona ny fahamarinana ananantsika, manana fahazavana tena lehibe, asa tena manan-danja, tsy maintsy mampitombo avo roa heny ny faharisihana sy ny fitandremana tsara isika. Tokony hanao araka izay faran‘ny mety ho vitany ny tsirairay. Ranadahiko, manao izay hahatonga ny famonjena ny tenanao hotandindomindoza ianao raha mihemotra ankehitriny. Hiantso anao Andriamanitra ka hampamoahina ianao raha toa ka tsy nanatontosa ny asa nasainy nataonao. - TFC, b. 5, tt. 460, 461.FK 111.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents