Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso Ho Amin’ny Fifohazana

    Hifarana tsy ho ela ny asa, ary mitombo eny rehetra eny ny faharatsiana. Tsy manana afa-tsy fotoana fohy hiasana isika. Andeha isika hifoha amin‘ny torimaso ara-panahy, ary hanokana izay ananantsika sy izay maha-izy antsika, ho an‘ny Tompo. Hitoetra miaraka amin‘ireo tena misiônera marina ny Fanahin‘ny Tompo, hanome azy ireo ny hery ho amin’fanompoana. - SW, 09 Apr. 1903 .FK 113.1

    Mifohaza, ranadahy sy rahavavy isany, mifohaza. Aza matory intsony. Nahoana no mijanona eto mandritra ny andro tsy manao na inona na inona ianareo? Miantso anareo Jesôsy manao hoe: «Mandebana miasa any amin‘ny Tanimboaloboko ankehitriny”. Na iza na iza nandray ny Fanahy Masina dia haneho izany miharihary; satria ny heriny rehetra dia ampiasaina amin‘ny fanompoana mavitrika indrindra. Ireo rehetra izay tena nandray an‘i Kristy tamin’finoana dia miasa. Tsapan‘izy ireo ny enta-mavesatry ny fanahy. Miantso izay rehetra manana ny fahalalana ny fahamarinana ankehitriny Andriamanitra, izay mitahiry ny fahamarinana masina, mba hifoha ka hizara ny fahazavan‘ny lanitra amin‘ny hafa. - RH, 6 Des. 1893FK 113.2

    Mifohaza, ry ranadahy, noho ny amin’ fanahinareo, mifohaza. Tsy afaka manao na inona na inona ianareo raha tsy misy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Miasà raha mbola afaka (manao). - SW, 17 Jol. 1906 .FK 113.3

    Raha azo sokafana ny masontsika hahay hanavaka ireo anjely lavo miasa amin‘ireo izay mahatsapa ho metimety sy mihevitra ny tenany fa tsy misy atahorana, dia tsy hahatsapa fandriampahalemana isika. Eo amin‘ny lalantsika amin‘ny fotoana rehetra ireo anjely ratsy. - TFC, b. 1, t.302.FK 113.4

    Miantso ny rehetra Andriamanitra, ny mpitonteny sy ny vahoaka, mba hifoha. Soamadodoka avokoa ny lanitra manontolo. Hifarana tsy ho ela ny tantaran’tany. Eo anivon’loza amin’andro farany isika. Eo anoloantsika ireo loza lehibe kokoa, kanefa dia tsy mbola mifoha isika. Mampahatahotra ny tsy fisian’fihetsehana sy ny hafanampo amin’asan’Andriamanitra. Avy amin’i Satana io torimasom-pahafatesana io. - TFC, b. 1, tt. 260, 261.FK 113.5

    Inonanoholazaikombahampifohanyvahoakan’Andriamanitra sisa? Naseho ahy fa toe-javatra mampihoron-koditra no eo anoloantsika. Mitondra ny heriny rehetra i Satana sy ny anjeliny mba hanoherana ny vahoakan’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa raha matory kely fotsiny izy dia azo antoka fa ho rava. - TFC, b. 1, t. 263 .FK 114.1

    Eo amin’fotoana farany amin’androm-pahasoavana, raha mbola eo am-panapahana ho mandrakizay indrindra izay ho anjaran’fanahy rehetra ny Tompo, dia miandry ny hifohazan’Fiangonany Izy mba hiasa mihoatra lavitra noho izay tany aloha rehetra.FK 114.2

    Ireo izay nafahana tamin’alalan’i Kristy noho ny fahalalana ny marina no heverin’Andriamanitra ho toy ny olomboafidiny, ka ankasitrahany mihoatra noho ny vahoaka rehetra eto an-tany. Holazaina amin’hafa ireo fitahiana nomena azy tamim-palalahana tokoa. Ary tsy maintsy hoentina any amin’firenena sy ny fokompirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra ny Filazantsaran’famonjena. - MM, t. 583.FK 114.3

    Tsy misy iray amin’zato amintsika no manao zavatra hafa mihoatra noho ny asa fanaony andavanandro eto amin’izao tontolo izao. Tsy tsapantsika na dia amin’antsasany aza ny tombambidin’fanahy izay nahafatesan’i Kristy. - TFC; b. 8, t. 148.FK 114.4

    Raha mba mifoha tsara ho amin’adidiny ny mpanaraka an’i Kristy dia hisy arivoarivo any amin’izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny, no hitory ny Filazantsara amin‘ny mpanompo sampy. Ary izay rehetra tsy afaka hiasa amin‘izany kosa ny tenany dia hanohana amin‘ny ananany sy ny fony ary ny fitiavany. Ary hisy asa hatao amin-kafanam-po be lavitra ho famonjena fanahin‘olona ao amin’tany kristiana. — DHK, t. 96 FK 114.5

    An‘arivony no mankafy ny fahazavana lehibe sy ireo fotoana mety sarobidy azo nohararaotina kanefa tsy nanao na inona na inona tamin‘ny alalan‘ny hery miasa mangina avy aminy na ny volany mba hanazavana ny hafa. Tsy nandray na dia ny andraikitra fihazonana ny fanahin‘ny tenany ao amin‘ny fitiavan‘Andriamanitra aza izy ireo, mba tsy hahatonga azy ireo ho enta-mavesatry ny fiangonana. Ny olona toy izany dia ho enta-mavesatra sy vato misakana any an-danitra. Noho ny amin‘i Kristy, noho ny amin‘ny fahamarinana, noho ny amin‘ny tenany, dia aoka hifoha izy ireo ary hanao asa amin-kafanam-po sy fitandremana ho an‘ny mandrakizay. - RH, 01 Mar. 1887.FK 115.1

    Azo ampitahaina tsara amin‘ny tafika ny fiangonan‘i Kristy. Asa mafy sy fahasarotana ary loza mitatao no fiainan‘ny miaramila tsirairay. Fahavalo malina no manodidina azy, tarihin‘ny andrianan‘ny herin‘ny maizina izay tsy mba rendremana na mandao ny toeram-piasany. Amin‘ny fotoana izay tsy iambenan‘ny Kristianina, dia manao fanafihana tampoka sy mahery vaika ny fahavalony feno hery. Ho resin‘ny tetik’adiny ny mambran’fiangonana raha tsy mavitrika sy malina.FK 115.2

    Inona no miseho raha malaina ny antsasaky ny miaramila na matory rehefa baikoina hanao ny adidy; faharesena, fahababoana na fahafatesana no vokany. Moa heverina ho mendrika ny hahazo valisoa ve raha misy afaka mandositra ny tanan‘ny fahavalo? Tsia! Handray avy hatrany ny didimpitsarana hampamono izy. Ary ny fiangonan’i Kristy tsy miraika sy tsy mahatoky dia hahita vokatra ratsy be lavitra noho izany. Tafika matorin’ miaramila kristianina - inona no mampihoron-koditra kokoa noho izany? Inona no fandrosoana azo atao hanoherana izao tontolo izao, izay eo ambany fifehezan‘ny andrianan‘ny fahamaizinana? Ireo izay mijoro tsy miraika amin’andro fiadiana, tahaka ireny tsy manana fahalianana ireny, sy mahatsapa ho tsy manana andraikitra ny amin’izay ho vokatry ny ady, dia tsaratsara kokoa raha manova ny fomba fiainany na mandao ny laharana avy hatrany. - TFC, b. 5, t. 394 .FK 115.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents