Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tanjona

    Inona no tanjon’ny fiaraha-mivory? Moave fampahafahantarana an’Andriamanitra izany, na filazana Aminy ny zavatra rehetra fantatsika amin’ny alalan’ny vavaka? Mivory isika mba hifampianatra amin’ny alalan’ ny fifanakalozana eritreritra sy fihetseham-po, mba hampitambatra hery sy hazavana ary risi-po, amin’ny fahafantarana ny fanantenana sy ny hetaheta lalina ao amin’ny tsirairay avy. Mandray ny famelombelomana sy ny hery avy amin’Ilay loharanon’ny herintsika isika, amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika, izay mafana sy avy ao am-po marina tokoa ary asandratra amim-pinoana. - TFC, b. 2, t. 578.FK 273.3

    Manana zava-kendrena iray hafa ihany koa ny fivoriambe ataontsika (...) Natao hanondrotana ny fiainam-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra izany (...) Efa nataon’Andriamanitra ho eo an-tanantsika ny asa masina indrindra, noho izany ilaintsika ny mivory mba handray fampianarana, mba ho sahaza hanatontosa izany asa izany isika. Ilaintsika ny mahafantatra ny anjara asa niantsoana antsika tsirairay avy eo amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, eo amin’ny fanantitranterana ny lalána masin’Andriamanitra ary ny fanandratana ny Mpamonjy amin’ny maha “ Zanak’ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan ‘izao tontolo izao ”-Jao. 1:29, Azy. Ilaintsika ny mivory ka handray ny fikasihan’Andriamanitra mba hahatakarantsika ny asantsika ao an-tokantrano. - TFC, b. 6, tt. 32, 33.FK 274.1

    Raha voatarika araka ny tokony ho izy ny fivoriambe, dia sekoly anankiray izay hahazoan’ny pasitora sy ny loholona ary ny diakona mianatra manao asa tonga lafatra kokoa ho an’ny Mpampianatra. Tokony ho sekoly handraisan’ny mambran’ny fiangonana efa zokinjokiny sy tanora tombontsoa hianarana ny fomban’ny Tompo amin’ny fomba tonga lafatra kokoa izany, toerana izay hahazoan’ny mpino mandray fanabeazana hanampy azy hanampy ny hafa. - TFC, b. 6, t. 49.FK 274.2

    Tombontsoa sarobidy maromaro no efa nohararaotin’ny mpanompon’ Andriamanitra avy tamin’ireo fivoriambe nataontsika nandritra ny taona maro efa lasa. Nampiasainy izany hampianarana ny vahoakantsika hampiasa fomba fiasa mahomby eo amin’ny fanehoana ny fahamarinana mahavonjy avy amin’ny hafatry ny anjely fahatelo amin’ireo namany sy olom-pantany. Maro no efa nampianarina ny fomba atao eo amin’ny fanaovana asa misiônera manohan-tena eo amin’ny fiaraha-monina misy azy Tao koa ireo niverina avy tamin’ireo fivoriana fanao isan-taona ireo no niasa tamim-pahazotoana sy fahiratan-tsaina lalindalina kokoa noho ny teo aloha. Ho faly tokoa Andriamanitra raha be lavitra amin’io fampianarana io no omena ny mambran’ny fiangonana izay manatrika ny fivoriambe ataontsika, mihoatra noho ireo fanome antsika matetika tany amin’ireo taon-dasa. Tokony hotsaroan’ireo mpiasa an-kapobeny sy ireo rahalahy sy anabavintsika isaky ny fivonana fa anisan’ireo tanjon’ny fivoriambe fanaontsika isan-taona ny hahazoan’ny rehetra fahalalana ny amin’ireo fomba fiasa mahomby eo amin’ny asa misiônera ataon’ny tsirairay - TFC, b. 9, t. 81 .FK 274.3

    Teo amin’ireo fivoriantsika sasantsasany, dia nisalasala ny mpitarika hampiditra ireo fomba fampianarana mahomby ireo. Mirona ho azy amin’ny fanaovana toriteny ny sasany fa tsy amin’ny fampianarana. Amin’ny fotoana toy ireo fivoriambe fanaontsika isan-taona ireo indrindra anefa dia tokony ho tazantsika mandrakariva ireo tombontsoa noraisina mba hampianarana ny mpino hanao asa misiônera mahomby eo amin’ny toeram-ponenany. - TFC, b. 9, t. 82.FK 275.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents