Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiomanana Ho Amin’ny Asa

    Ny mpanara-dia an‘i Jesôsy dia tsy mifanaraka amin‘ny toetsain’ Andriamanitra sy ny sitrapony raha toa izy ireo ka mianina ao amin‘ny tsy fahalalana ny Teniny. Ny rehetra dia tokony ho mpianatra ny Baiboly. Izao no baiko nomen‘i Kristy ireo mpanaraka Azy: “Dinihonareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” - Jao. 5:39. Mitaona antsika i Petera: “(...) manamasina an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’fahalemempanahy sy fanajana”1 Pet 3:15. - TFC, b. 2, tt. 633,634.FK 201.1

    Ireo izay niova fo marina dia tokony hihamarani-tsaina hatrany eo amin’fahazoany ny Soratra Masina mba hahafahany manambara tenim-pahazavana sy famonjena amin‘ireo izay ao amin‘ny haizina sy maty ao amin’fahotany. - TFC, b. 9, t. 121.FK 201.2

    Adidintsika ny manao fampitandremana farany ho an’olona ka manao ahoana ny tokony ho fahavitrihantsika mianatra ny Baiboly sy ny hafanam-pontsika manapariaka ny fahazavana! Aoka ny fanahy tsirairay izay nandray ny fahazavana avy amin’Andriamanitra hikatsaka izay hizaràna izany. Aoka handeha isam-baravarana ireo mpiasa ka hanokatra ny Baiboly amin’olona, hampiely ireo asasoratra, hanambara amin‘ny hafa ny fahazavana izay nandraisan‘ny tenany fitahiana. - GW, t. 353.FK 201.3

    Hitondra vokatra ny asa voalanjalanja tsara raha toa ampivelarina ny sekoly fiofanan‘ireo mpiasan‘ny Baiboly Eo am-panatontosana ny fitoriana mahafaobe dia tokony hisy mpiasa manana traikefa sy matotra ara-panahy hifandray amin’io sekoly io ka afaka manome toro marika isan’andro ho an‘ireo mpiasan’Baiboly, ary koa afaka mandrindra ny ezaka ho an‘ny daholobe izay tanterahina. - TFC, b. 9, t. 111.FK 202.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents