Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hery Miasa Manginan’ny Tokantrano, Mahatratra Lavitra

    Ny tokantrano kristiana izay anolokoloana izany idealy izany, dia ho tonga vavolombelon’ny herin’ny fivavahana kristiana, izay tsy hain’ny tsy mpino lavina. Hiharihary izany hery izany, dia hery miasa hatrao ampon’ny ankizy, ary izany no alitara haorina ho an’ny Andriamanitr’i Abrahama. Raha ny tokantrano rehetra mihambo ho kristiana no tena kristiana marina tokoa, akory ny hery lehibe ho vokatr’izany : ho tonga tena «fahazavan ‘izao tontolo izao» izy tsirairay àry ! - PM, tt. 135, 136 .FK 291.3

    Mihoatra lavitra noho ny olona ao an-tokantrano ny asa nanirahana ny tokantrano. Ny tokantrano kristiana dia tokony ho lesona azo tsapain-tanana, izay maneho ny hatsaran’ny foto-kevitra marin’ny fiainana. Ny fanehoana toy izany dia ho hery hoenti-manao ny tsara eo amin’izao tontolo izao. Manankery lavitra noho ny toriteny azo atao ny tokantrano marina eo amin’ny fon’ny olombelona sy ny fiainana. Raha miala avy amin’ny tokantrano toy izany ny tanora, dia ho voazara ny lesona nianarany tao. Ho tafiditra ao amin’ny ankohonana hafa ny foto-kevitry ny fiainana ambony kokoa, ary hisy hery miasa hanandratra eo amin’ny fiaraha-monina. - TMF, t. 286.FK 292.1

    Ny zavatra azo anehoana ny fisian’ny hery eo amin’ny Kristianina dia tsy misy afa-tsy ny fianakaviana mirindra tsara sy feno fankatoavana. Izany dia mitaky fahamarinana ambonin’ny zava-drehetra; satria fijoroana ho vavolombelona avy ao am-po. - TFC, b. 4, t. 304 .FK 292.2

    Andriamanitra dia milaza fa ny fianakaviana eto an-tany dia tokony ho taratry ny fianakaviana any an-danitra. Tokantrano kristianina, naorina sy notarihina hifanaraka amin’ny drafitr’Andriamanitra, no tena hifotoran’ny fiasan’ Andriamanitra hamolavola ny olombelona sy hampandroso azy amin’ny asany - TFC, b. 6, t. 430.FK 292.3

    Mety ho ety ny faritra ahazoan’ny hery avy amintsika miasa, mety ho kely ny fahaizantsika, mety ho vitsy ny fotoana ananantsika, mety ho voafetra ny fahalalantsika; nefa misy zava-mahagaga azontsika atao raha ampiasaintsika amimpahatokiana ireo fotoana mety eo anatrehantsika ao antokantranontsika. Raha hosokafantsika ny fontsika sy ny tokantranontsika hitoeran’ireo foto-kevitry ny fiainana avy amin’Andriamanitra dia hanjary fantsona ikorianan’ny hery manome aina isika. Avy ao an-tokantranontsika no hitosaka ny rian-drano mitondra fahasalamana, aina, hatsaran-tarehy sy vokatra eo amin’ny tany foana sy hay ankehitriny - TMF, t. 288.FK 292.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents