Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Satroboninahitra Mavesatra No Kendreo

    Tsy tokony ho trotraka am-panahy sy kanosa isika. Ho fahavoazana lehibe tokoa ny hanakalo ny voninahitra maharitra mandrakizay amin’ fanomezana fahafaham-po ny nofo na ny fampiadanana sy fampifalifaliana ny tena. Miandry ny mpandresy ny fanomezana avy eo an-tanan’ Andriamanitra. Tsy misy mendrika izany isika na dia iray aza; kanefa atolony maimaimpoana ho antsika izany.FK 153.2

    Hahagaga sy ho be voninahitra io fanomezana io, aoka anefa hotsaroantsika fa samy manana ny maha-izy azy ny kintana tsirairay ao amin’ voninahitra. Koa raha hitolona hahazo ny fandresena ihany àry isika, dia andeha ny voninahitra mavesatry ny kintana no hokendrena amin’ alalan’herin’i Jesôsy Kristy. “Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin ‘ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. ” - RH, 25 Okt. 1881.FK 154.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents