Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Inona No Ataonao Eto?

    Koa satria miankina be dia be amin’ny asa tsy an-kijanona ataon’ny mpiasan’ny Tompo tso-po sady mahatoky izany vokatra azo izany, dia hanao izay farany azo atao i Satana hanosika azy ireo ho amin’ny tsy fankatoavana mba hampandamoka ny fikasan’Andriamanitra. Ataony izay hanadinoan’ny sasany amin’izy ireo ny iraka masina sy ambony indrindra niantsoana azy, ary ataony mora afapo amin’ny fahafinaretana amin’izao fiainana izao izy ireo. Amporisihiny hipetraka ao amin’ny fonenana mahafinaritra izy ireo, na hifindra monina aza rehefa hitany fa metimety kokoa ny tombontsoa mety ho azony amin’izany. Ka toy izany no andaozany ny toerana izay ho azony nampiasana ny hery mahataona tsara anananany. Mbola amporisihin’i Satana ihany koa ny mpanompon’Andriamanitra hafa handao ny asany rehefa azon’ny fahakiviana noho ny fisian’ny fanoherana, na noho ny fanenjehana. Na izany aza anefa, dia manana fangorahana fatratra an’ireo olona ireo ny Tompo. Amin’ny zanak’Andriamanitra tsirairay izay nampanginin’ny fahavalon’ny fanahintsika ny feony, no ametrahan’Andriamanitra izao fanontaniana izao hoe: « Maninona aty hianao?” Naniraka anao handeha eran’izao tontolo izao Aho hitory ny Filazantsara sy hanomana firenena iray ho amin’ny andron’ny Tompo, ka nahoana no aty ianao? Iza no nandefa anao atý? — MM, t. 139.FK 257.1

    Amin’ny fianakaviana, toy ny amin’ny isam-batan’olona, no apetraka izao fanontaniana izao: «Manao inona aty ianao?» Misy fianakaviana tena nohazavain’ny fahamarinana arapilazantsara ao amin’ny fiangonana maro. Azon’izy ireny atao ny manitatra ny faritry ny toerana ampiasàny ny hery mahataona ananany, amin’ny fankanesany any amin’ny toerana tsy misy mpitory ny Tenin’Andriamanitra ka ho afaka hisolo azy. - MM, t. 139.FK 257.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents