Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahamarinana

    Tsy tokony hisy fihetsika maneho tsy fahamarinana eo amin’ny fiainan’ireo mitondra hafatra masina sy miezinezina izay nasaina nentintsika. Mijery ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izao tontolo izao, satria fantany ny zavatra ekeny sy inoany ary ny filamatra ambony ananany; ka rehefa hitany ireo tsy miaina araka izay inoany, dia tondroiny sady esoiny. - TFC, b. 9, t. 23.FK 319.2

    Mety ho manana fanomezam-pahasoavana mahatalanjona sy fahakingana tsara ary fahaizana mampitolagaga ny lehilahy; kanefa ny fahadisoana iray, fahotana miafina iray ankafizina, dia hiseho eo amin’ny toetra toy ny hazo iray lanin’ny koroka ka miteraka ny faharavana sy ny fahapotehan’ny sambo! - TFC, b. 4, t. 90.FK 319.3

    Nitondra ny rivo-piainan’ny lanitra i Paoly. Nahatsapa ny hery miasa avy amin’ny fifandraisany tamin’i Kristy izay rehetra nifanerasera taminy. Ny fiainany izay ohatry ny fahamarinana notoriny dia nanome hery maharesy lahatra ny toriteny nataony. Eo no isehoan’ ny herin’ny fahamarinana. Ny vokatra tsy nosainina ary tsy nampoizina avy amin’ny fiainana masina mahataona no toriteny maharesy lahatra indrindra izay azo omena amin’ny maha-Kristianina. Ny tohan-kevitra, na dia tsy valiana aza, dia mety hotoherina fotsiny; fa ny ohatra araka an’Andriamanitra dia manan-kery tsy hay tohaina. - GW, t. 59.FK 319.4

    Tsy isalorana avy ety ivelany tsy akory ny tena toetra amam-panahy marina; fa mamirapiratra avy ao anaty izany Raha irintsika ny hitarika ny hafa ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana, dia tsy maintsy voarakitra ao am-pontsika ny foto-kevitry ny fahamarinana. Mety hanambara ny lahakevitra eo amin’ny fivavahana ny fanekem-pinoantsika, nefa ny fitiavam-bavaka iainana no mampiseho mazava ny teny fahamarinana. Ny fiainana mirindra, ny resaka masina atao, ny fahamarinan-toetra tsy azo hozongozonina, ny toe-tsaina vonon-kiasa, manao soa, sy ny ohatry ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, - ireo no fitaovana mpanelanelana izay itondrana ny fahazavana ho amin’izao tontolo izao. - IFM, tt. 319, 320.FK 320.1

    Ny fitiavam-bavaka sy ny fitenenana dia vokatra tsotra sy mifamatotra matetika; fa ny vokatra izay miseho amin’ny asa tsara, amin’ny fikarakarana ireo tra-pahasahiranana, ireo tsy manan-dray, ny mpitondra tena, no tena vokatra marina, ka mitombo ara-boajanahary eo ambony hazo tsara. - TFC, b. 2, t. 24 .FK 320.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents