Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7 - Fiaraha-Miasan’ny Mpitandrina Sy Ny Laika

    Mirotsaka Ao Amin’ny Saha Fanompoana AmimPiraisan-Kina

    Aoka ny Mpitandrina sy ny mambra laika handeha ho any amin’saha masaka. Hahita vokatra hojinjana izy ireo na aiza na aiza toerana izay hitoriany ny fahamarinan’Baiboly izay nohadinoina. Hahita ireo izay hanaiky ny fahamarinana izy ireo, ary ireo izay hanokanany ny fiainany ho amin’asa famonjem-panahy ho an’i Kristy. - Australian ST, 03 Aog. 1903 .FK 94.1

    Tsy fikasan’Andriamanitra ny hamelana ny ampahany betsaka amin’asa famafazana ny voan’fahamarinana hataon’mpitandrina. Ny olona izay tsy nantsoina ho amin’asa fitandremana dia tokony hampirisihina hiasa ho an’Tompo araka ny fahafaha-manao maro ananany. An-jatony ireo lehilahy sy vehivavy, izay mipetra-potsiny ankehitriny, no afaka hanao asa fanompoana azo ekena. Afaka manao asa lehibe ho an’Tompo izy ireo amin’alalan’fitondrana ny fahamarinana any an-tokantranon’namany sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy. - TFC, b. 7, t.21.FK 94.2

    Nomen’Andriamanitra ny mpanompony ny hafatry ny fahamarinana hotorina. Tokony handray izany hafatra izany ny fiangonana, ary amin’fomba rehetra azony atao hampitana izany, dia handray ireo tara-pahazavana voalohany (izy) ary hanaparitaka azy ireny. - TFC, b. 6, t. 425.FK 94.3

    Tsy maintsy miasa any amin’toerana izay iasan’mpitandrina ny mambra, manohana ny ezaka ataony sy manampy azy hitondra ny enta-mavesany, ary amin‘izany dia tsy ho sasatra noho ny asa mafy be loatra izy ka ho kivy. Tsy misy hery miasa mangina misy vokany maharitra azon‘ny fiangonana hoentina raha tsy hihetsika amim-paharanitantsaina ny olona, miainga avy amin‘ny foto-kevitry ny hanao izay rehetra azony atao ho fampandrosoana ny asa. - RH, 23 Aog. 1881.FK 94.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents