Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ahoana No Fiatrehana Ny Hakiviana

    Tsy maintsy manam-po fanakiviana isan-karazany ny mpanompon’ny Tompo. Hosedraina izy ireo, tsy amin’ny hanoanana sy fitsapana ary amin’ny fahasiahan’ny fahavalo fotsiny fa amin’ny fahalainana, tsy faharetana, fitsilamodamohana, ary ny famadihan’ny namana sy ny mpanampy (...) Eny, na dia ireo sasany izay toa maniry ny fandrosoan’ny as an’Andriamanitra aza dia hampahalemy ny tanan’ny mpanompony amin’ny fandrenesana sy fitaterana ary finoana tapatapany ny fanendrikendrehana sy fireharehana ary ny fampitahoran’ny fahavalony (...) Andriamanitra no toky ho an’i Nehemia teo anivon’ny fahakiviana lehibe; ary io no fiarovana ho antsika. Ny fahatsiarovana izay efa nataon’ny Tompo ho antsika no ho tohana any amin’ny loza tsirairay “Izy izay tsy niaro ny Zanani-lahy Tokana, fa natolony hamonjy antsika rehetra, moa tsy homeny antsika maimaimpoana miaraka Aminy koa va ny zavatra rehetra?” Ary “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Na fetsy toy ny ahoana ny teti-dratsy velarin’i Satana sy ny tafiny dia hitan’Andriamanitra ary ataony mandamoka ny toro heviny. - SW, 19 Apr. 1904.FK 336.3

    Ireo izay nirahin’ny Fanahy Masina hanatontosa asa manokana ka mitana ny lohalaharana eo amin’ny ady ifampikatrohana, dia mbola iharan’ny tena fanoherana matetika na dia efa nisinda aza ny loza. Afaka manozongozona ny finoana mafy orina indrindra ny fahakiviana ary afaka mandemy ny sitrapo matanjaka indrindra koa. Fantatry ny Tompo anefa ny zavatra rehetra, ka tsy mitsahatra ny mitia sy mangoraka ny zanany Izy. Vakiny ao amin’ny fon’izy ireo ny fiheverana sy ny fikasana izay manentana azy. Miandry amim-paharetana sy amim-pahatokiana rehefa toa manjombona ny zavatra rehetra. Izany no tokony hianaran’izay rehetra manao ny asan’ Andriamanitra. Tsy mandao na oviana na oviana ny azy eo amin’ny fahoriana Andriamanitra. Tsy misy toe-javatra na dia iray aza azo heverina ho mampamoifo, toy izany ny manjo ny olona mahatsiaro ny tenany fa tsinontsinona, nefa, rehefa mitoky tanteraka amin’ Andriamanitra izy dia mahazo fandresena. - MM, tt. 141, 142 .FK 337.1

    Miantso mpiantafika hahomby sy tsy ho kivy i Kristy; kanefa hanaiky ny asa araka izay tena endriny tokoa. Asainy maka an’i Kristy ho ohatra ho antsika rehetra isika. - RH, 17 Jol. 1894.FK 338.1

    Ireo izay mampianatra fahamarinana tsy mamim-bahoaka ankehitriny, dia tsy tokony ho kivy raha tsy mahita fandraisana tsara mandrakariva na dia eo amin’izay milaza ny tenany ho kristiana aza, mihoatra noho izay hitan’i Paoly sy ireo mpiaramiasa taminy teo amin’ny vahoaka izay niasany. Aoka ireo mpitondra hafatry ny hazo fijaliana handroso amim-pinoana sy amin-kerim-po omban’ny fiambenana sy ny fivavahana, ka hiasa mandrakariva amin’ny anaran’i Jesosy. - VM, t. 202.FK 338.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents