Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanehoana an-tsary

    Nanonofy aho fa nisy olona iray nitondra tapa-damba fotsy teo amiko, ary mbaiko ahy mba handidy izany hanaovana akanjo ho an’olona araka ny habeny avy, sy ny soritsoritry ny toetrany rehetra, ary ny toe-javatra eo amin’fiainana. Nasaina nandidy izany aho ary nanatona azy mba ho vonona avokoa izy rehetra rehefa ilaina. Nanana fahatsapana aho fa maro amin’ireo izay nasaina nandidiako akanjo no tsy nifanaraka araka ny tokony ho izy. Nanontany tena aho raha ity no tapa-damba farany tokony hodidiko, kanefa nolazaina tamiko fa tsy izany; raha vao vitako iny anankiray iny, dia nisy hafa ihany koa nentina teo amiko.FK 88.1

    Nahatsiaro ho kivy aho tamin’habetsaky ny asa teo anoloako, ary nanambara fa nihoatra ny roapolo taona no nandidiako akanjo ho an’hafa, ary tsy nankasitrahana ny asako, na nahita aho fa nahavita asa soa betsaka. Niteny tamin’ilay olona nitondra ny akanjo tamiko aho, ho ana vehivavy anankiray manokana, izay nilaza tamiko mba handidy ny akanjony. Nolazaiko tamin’io olona io fa tsy asiany vidiny ny akanjo, ary ho fandaniam-potoana sy fitaovana ny hampiseho an’izany aminy. Tena nahantra ilay vehivavy, ambany ny faripahaizany, ary misavoritaka ny fomba fitafiny, ary tsy ho ela dia holotoiny ny akanjo. Namaly ilay olona, «Didio ny akanjo. Izany no adidinao. Tsy anao ny fatiantoka fa ahy. Tsy tahaka ny fijerin’olona ny fijerin’Andriamanitra. Apetrany araka izay fomba tiany hanaovana azy ny asa, ary tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na iroa. Ho hita fa maro amin’ireo fanahy mahantra ireo no ho any amin’fanjakana, kanefa ny hafa izay nomena fitiavana manokana tamin’fitahiampiainana rehetra, nanana ny tombontsoa rehetra mba hohatsaraina, no ho tavela. - TFC, b. 2, tt. 10,11.FK 88.2

    Mandritra ny ora maro no manao fanazaran-tena ny miaramila mampidina ny kitapo avy eo am-babena, ary mametraka izany haingana eo an-damosiny indray. Nampianarina ny fomba fampirimana ny fiadiany izy ireo, sy ny fomba fandraisana azy haingana. Manao fanazaran-tena amin‘ny fiatrehana fahavalo izy ireo ary hofanina amin‘ny karazan-javatra mety hiseho rehetra. Tahaka izany ny fanazaran-tena izay hanomana ny olona amin‘ny zavatra tampoka rehetra. Ary moa ve ireo izay miady ny adin’Andriana Imanoela ho latsan-danja noho izany, eo amin’hafanam-po sy ny fiezahana hiomana ho amin’ady ara-panahy? — TFC, GW, t. 75.FK 89.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents