Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahafahana Mizara Maimaim-Poana

    Tokony hozaraina amim-pahendrena any amin’ireo fiarandalamby ireo asasoratra, eny an-dalana, any amin’ireo sambo lehibe, ary amin’alalan’paositra. - GW, t. 353.FK 211.3

    Amin’izao andron’fifamoivozana izao dia betsaka kokoa noho ny tamin’andron’zanak’i Isiraely ny hirika hahafahana mifandray amin’olona avy amin’sokajy samihafa sy firenena samihafa. Nitombo in’arivo heny ny rantsa-mangaikan’fifamoivozana. Nomanin’Andriamanitra tamin’fomba mahavariana ny lalana. Efa eo ampelatanantsika ireo ivon-toerana fanontam-boky, mbamin’ireo fitaovana maro samy hafa miaraka aminy. Efa eo amintsika ireo Baiboly sy boky amin‘ny fiteny maro mirakitra ny fahamarinana ho ankehitriny, ary azo entina haingana any amin’faritra rehetra eran’izao tontolo izao. - GW, t. 352.FK 211.4

    Aoka handeha any amin’vazan-tany rehetra ireo asa sombindahatsoratra, trakta, lahatsoratra sy boky isankarazany. Na aiza na aiza alehanao dia mitondrà antontantrakta voafantina, izay azonao ampiasaina rehefa misy fahafahana manao izany. Amidio izay azonao amidy, ary mampindrama na manomeza araka izay takin’toejavatra. Hisy vokany lehibe ny fanaovanao izany. - RH, 10 Jona 1880.FK 212.1

    Naseho ahy fa tsy manao ny adidintsika isika amin‘ny fizaràna asa soratra maimaim-poana. Maro ireo fanahy azo taomina hanaraka ny fahamarinana amin’izany fomba izany fotsiny ihany (...) ireny trakta kely misy takila efatra, valo na enina ambin‘ny folo ireny, dia azo amboariana amin’vidiny mirary, avy amin‘ny vola omen’ireo izay mandray am-po ny asa. Rehefa manoratra amin’namanao ianao dia azoano atao ny manisika trakta iray na maromaro ao anaty valopy nefa tsy mampitombo ny saram-pandefasana taratasy izany. Rehefa mihaona aman‘olona izay hitanao fa afaka hihaino anao ianao any anaty fiara, any anaty sambo na any ampiasana, dia azonao atao ny mizara trakta aminy. - TFC, b. 1, tt. 551, 552.FK 212.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents