Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Areri-Mifindran’ny Heloka Bevava

    Velona eo afovoan’areti-mifindran’heloka bevava isika, izay mampivarahontsana na iza na iza olona misaina sy matahotra an’Andriamanitra. Ny fahalotoana izay manjaka dia tsy hain’penin’olombelona hosoritana. Isa-maraina, ny andro miposaka dia mitondra endrika vaovao isehoan’ady ara-politika sy ny kolikoly ary ny fisolokiana. Ny andro tsirairay dia mitondra tatitra milaza herisetra sy tsy fankatoavan-dalàna, tsy firaharahana ny fahorian’olombelona, fanapotehana ain’olombelona amin’fomba tsy mifaditrovana, toy ny fanaon’biby masiaka. Ny andro tsirairay dia manambara marimarina fa mitombo ny hadalana, ny vonoan’olona ary ny famonoan-tena. Iza no afaka hisalasala fa miasa eo amin’olona ny anjelin’i Satana, ary mitombo izany asa izany mba hamilivily sy hanimba ny saina, ary handoto sy hamono ny tena? - TMF, t. 86.FK 73.2

    Ny toe-tsaina tsy tia fehimpehezina hita amin‘ny firenena rehetra, ny fikomiana miseho etsy sy eroa manaitra sy mampangovitra an’izao tontolo izao, ireny sy ny toy ireny dia samy mampiseho amintsika ny herin’afo izay miotrika ao anaty ampombo, ka handoro sy handrava ny tany rehefa mirehitra, ny endri-javatra mampiseho ny toetran‘izao tontolo izao talohan’safo-drano, izay voalazan’Soratra Masina dia tena fanehoana marina tokoa ny toetr’andro moderina ankehitriny. Ratsy sy maharikoriko ireo heloka bevava sy vonoan’olona hita any amin’tany milaza ho kristianina; ary heloka toy izany ihany no efa namongorana ireo olona fahizay.FK 74.1

    Talohan’hitrangan’ilay loza mahatsiravina dia i Noa no notendren’ Andriamanitra hampandre ireo mpiara-belona taminy ny amin’izany, mba hialan’izy ireo amin’ratsy ka tsy hihatra aminy ny fandringanana. Ankehitriny koa, amin’izao efa maha akaiky ny fiavian’Tompo izao, dia mandefa ny Mpanompony Andriamanitra mba hampandre ny mponina ambonin’tany, ka hahazoan’izy ireo miomana ho amin’izany. Ny vahoaka marobe izay efa velona teo amin’fanitsakitsahana ny lalàn’Andriamanitra dia antsoina amimpamindrampo koa ankehitriny, hanaraka ny fitsipika masina. Atolotra ny olona rehetra izay te-hiala amin’ota amin’alalan’fibebahana amin’Andriamanitra sy amin’alalan’finoana an’i Jesosy Kristy ny famelan-keloka. - PM, t. 86 .FK 74.2

    Ireo toe-javatra eto amin’izao tontolo izao dia maneho fa mitatao amintsika ny fotoan-tsarotra. Ny gazety mpiseho isan’andro feno fanambarana mikasika ireo fifanolanana mahatsiravina ho avy tsy ho ela. Miseho matetika ny fandrobana feno fahasahiana. Mahazatra ny fitokonana. Miseho lany eny rehetra eny ny halatra sy ny vonoan’olona. Olona manana demonia mandatsaka ny ain’lehilahy sy vehivavy ary ankizy madinika. Feno faharatsiana ny olona ary manjaka izao karazam-paharatsiana rehetra izao. - TFC, b. 9, t. 11.FK 74.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents