Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahakingana

    Adidin’ny Kristiana tsirairay ny manao izay hananany fahazarana eo amin’ny filaminana, eo amin’ny fahamalinana sy eo amin’ny fahakingana. Tsy misy fialan-tsiny hanaovana asa mitaraikiraiky na toy inona na toy inona. Raha misy olona toa miasa foana kanefa tsy vita mihitsy ilay asa ataony, dia satria tsy miasa amin’ny fo sy ny saina izy. Izy miadam-piasa ka mitarika fatiantoka ho an’ny tenany dia hahatsapa fa misy kilema tokony hahitsy oe amin’ny toetrany. Ilainy ny hampiasa ny sainy amin’ny fiheverana izay ho fampiasana ny fotoanany mba hahazoany ny vokatra tsara indrindra. Misy hahavita ao anatin’ny adin’ny dimy izay ataon’ny hafa mandritra ny adin’ny folo, noho ny fahaiza-miasa sy ny fahaiza-mandamina. Misy olona manao asa tsy an-kijanona ao an-tokantranony, tsy noho ny habetsahan’ny asany anefa fa noho ny tsy fahaizany mandamina ny fotoany. Ny fomba fiasa miadana dia miadana, sy manitatritatra raharaha dia mahatonga ny asa be eo amin’ny zavatra kely dia kely. Izay rehetra maniry anefa, dia afaka handresy ireo fahazarana mikoropadropaka na mitaredretra. Aoka hanana fetra hotratrarina mazava izy eo amin’ny asany. Manapaha hevitra eo amin’ny halavam-potoana ilaina hamitana asa iray nomena, dia ataovy izay fiezahana rehetra hamitana ny asa amin’ny fotoana nomena. Ny fampiasana ny herin’ny sitrapo dia hahatonga ny tanana hiasa amin’ny fomba havanana kokoa. — HF, t. 299.FK 333.1

    Mitaky fankatoavana avy hatrany ny fanompoana an’i Kristy. - SW, 9 Aog. 1904.FK 334.1

    Irin’ny Tompo ho amin’ny mpanompony no hahitana fanahy kinga amin’ny fahatsapana ny tombambidin’ny fanahy, kinga amin’ny famantarana ireo adidy hatao, kinga amin’ny fandraisana ny andraikitra apetraky ny Tompo aminy. - TFC, b. 9, t. 123.FK 334.2

    Ny hafainganana eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra dia lafiny iray lehibe amin’ny fivavahana marina. Amin’ny mahafitaovan’Andriamanitra ny olona dia tokony hanararaotra ny toe-javatra tsara rehetra mitranga hanatanterahana ny sitrapony izy. Ny asa atao haingana tsy misy fihambahambana amin’ny fotoana mety dia ahazoana antoka ny fandresena mamirapiratra, fa ny fahelana eo am-panaovan-javatra sy ny tsirambina kosa dia miafara amin’ny tsy fahombiazana izay manala baraka an’Andriamanitra. - MM, t. 552.FK 334.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents