Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Drafitra Mahomby

    Anisan’ireo drafitra vaovao hitaomana ny tsy mpino ny fampielezan-kevitra mikasika ny asa fanangonam-bokatra amin’ny fotoam-pijinjana. Hita ho fahombiazana izany tany amin’ny toerana maro nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, sady nitondra fitahiana ho an’ny maro no nampitombo ireo end-manao ho ao amin’ny fitehirizam-bola mikasika ny asa. Nifoha ny fangoraham-pon’ ireo olona tsy ao anatin’ ny finoantsika rehefa nampahafantarina azy ny fandroson’ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo tany amin’ny tanin’ny mpanompo sampy. Nitady izay hianarana misimisy kokoa izany fahamarinana manana hery manova ny fo sy ny fiainana izany ny sasany tamin’izy ireo. Lehilahy sy vehivavy samy hafa saranga no voataona ka nomem-boninahitra ny anaran’Andriamanitra. - MS2, 05 Jona 1914.FK 235.2

    Mety hisy olona sasantsasany hisalasala ny amin’ny tokony handraisana na tsia ny fanomezana avy amin’ny olona tsy mpino. Aoka hametraka izao fanontaniana izao amin’ny tenany izy ireo: “ Iza moa no tena tompon’ity tontolo misy antsika ity? An ‘iza ireo trano sy tany ao aminy, ary koa ireo harem-bolamena sy volafotsy voarakitra ao?” Manana harem-bevava eto amin’ity tontolo misy antsika ity Andriamanitra, ka napetrany ho eo an-tanan’ny olon-drehetra, na ny mpankato na ny tsy mpankato, izany harena izany. Vonona ny hanetsika ny fon’ny olon’izao tontolo izao Izy, eny, fa na dia ny mpanompo sampy aza, mba hanome ny hareny hanohanana ny asany; hataony izany vantany vao hain’ny vahoakany ny manatona ireo olona ireo amim-pahendrena sy misarika ny sainy ho amin’io asa hahazoany tombontsoa lehibe io. Raha toa ka apetraka mazava tsara manoloana an’ireo manana ny enti-manao sy ny fahefana ny zavatra ilaina ho amin’ny asan’ny Tompo, dia mety hahavita be tokoa ireo olona ireo eo amin’ny fampielezana ny fahamarinana ankehitriny Tombontsoa marobe azony nohararaotina no efa verin’ny vahoakan’Andriamanitra raha toa ka nisafidy ny hahaleo tena amin’izao tontolo izao izy ireo. - SW, 15 Mar. 1904.FK 236.1

    Mbola manetsika ny fon’ny mpanjaka sy ny mpanapaka ho an’ny vahoakany ihany Andriamanitra. Ireo izay miasa mafy ho Azy dia handray ny fanampiana izay asain’Andriamanitra omen’ny olona ho fampandrosoana izany asany izany. Mety hanokatra lalana handehanan’ny fahazavan’ny fahamarinana ho any amin’ireo tany mbola heniky ny tsy fahalalana ireo mpanome izany fanomezana izany. Mety tsy hiray fo amin’ny asan’Andriamanitra na hanana finoana an’i Kristy akory ireo olona ireo, na koa mahalala ny teniny kanefa tsy noho izany no handavana ny fanomezana atolony. - SW, 15 Mar. 1904.FK 236.2

    Efa nataon’Andriamanitra ho eo an-tanan’ny mpino sy ny tsy mpino ny fananany; mety hamerina Aminy ny Azy ny rehetra eo amin’ny fanatanterahana ny asa izay tsy maintsy hatao ho an’ny tontolo lavo iray Raha mbola eto amin’izao tontolo izao isika, raha mbola mitolona miaraka amin’ny taranak’olombelona koa ny Fanahin’Andriamanitra, dia handray tombontsoa lalandava isika ary natao hizara izany ihany koa. Natao hizara ny fahazavan’ny fahamarinana amin’izao tontolo izao isika, araka ny voambara ao amin’ny Soratra Masina; ary tsy maintsy mandray avy amin’izao tontolo izao ihany koa araka ny ampirisihan’Andriamanitra azy mba hampandrosoana ny asany — SW, 15 Mar. 1904.FK 236.3

    Na dia saika eo an-tanan’ny olona ratsy fanahy avokoa aza izao tontolo rehetra izao, miaraka amin’ny harem-bevava rehetra ao aminy, dia mbola Andriamanitra ihany no tompony. “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra ao aminy.’‘ - Sal. 24:1, “Ahy ny volafotsy ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah Tompon’maro.” - Hag. 2:8, “Fa Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.” - Sal. 50:10-12. Amin’izany no mety hahatsapan’ny Kristianina bebe kokoa hatrany fa tombontsoa sy adidin’izy ireo, raha ankamamiany ny fitsipika marina, ny manararaotra ireo tombontsoa avy any an-danitra mba hampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. - SW, 15 Mar. 1904.FK 237.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents