Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Zava-Dehibe Indrindra Ho Amin’ny Fahombiazana

    Eo amin’ny fanarahana ny drafitra rehetra mety efa napetraka mba hampahafantarana ny hafa ny fahamarinana ankehitriny sy ny fitondran’ Andriamanitra mahatalanjona, izay mifandraika amin’ny fampandrosoana ny asany, dia aoka hanokan-tena tanteraka ho Azy aloha isika voalohany indrindra, Izay manana ny anarana tiantsika hasandratra ambony dia ambony. Aoka ihany koa isika hivavaka aminkafanam-po ho an’ireo olona kasaintsika hotsidihina, ka amin’ny fiainana ny finoana no hitondrantsika azy ireo tsirairay avy ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra ny eritreritra sy ny zava-kendren’ny olona, ary mora Aminy tokoa ny manetsika ny fontsika! Manao ahoana tokoa moa ny ambaboan’ny Fanahiny, tahaka ny afo, ny fo vato! Toy ny inona ny hamenoany ny fanahy amin’ny fitiavana sy ny halemem-panahy! Tahaka ny ahoana ny fanomezany antsika ny fahasoavan’ny Fanahy Masiny, ka mahatonga antsika hahavita mandehandeha atsy sy aroa eo amin’ny asa famaboana fanahy! - MS2, 5 Jona 1914.FK 238.3

    Mety hankasitrahana be lavitra noho izay miseho amin’izao fotoana izao ny asan’Andriamanitra raha toa ka hatonintsika amin’ny fahendrena ny olona ary ampahafantarintsika azy ny asa, amin’izany rahateo no anomezantsika azy ny tombontsoa hampandrosoana izany asa izany, izay tombontsoa ho antsika ihany koa ny fampirisihana azy ireo. Hitahy ny ezaka ataontsika ny tanam-pahasoavan’Andriamanitra, raha toa ka miasa amim-pahendrena sy amimpahamalinana isika mpanompony. - SW, 15 Mar. 1904.FK 239.1

    Fahombiazana be lavitra no valin’ny ezaka ataon’ireo rehetra mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny asan’ny Tompo, raha toa ka tsapany fa miankina be dia be amin’ny fahatokiany sy ny fahamalinany feno fahendrena ny zavatra rehetra. Amin’ny tsy fahasahisahiana sy ny toetra mitakemotra matetika no tsy ahavitantsika mahazo izay tokony ho zontsika, avy amin’ny fahefana misy eo. Hiasa ho antsika Andriamanitra rehefa vonona hanao izay vitantsika isika sy izay tokony ho anjarantsika. - SW, 15 Mar.FK 239.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents