Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Aza Matahotra

    Tsy hizotra araka ny tokony ho izy ny toe-javatra noho ireo mpiasa tsy masina. Mety hitomany ianao noho izany; kanefa aza matahotra. Eo ambany fanaraha-mason’ilay Tompo Masina ny asany manontolo, hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany. Ny hany angatahiny: ho tonga eo Aminy ny mpiasa handray fandaminana, sy hankatò ny tari-dalana avy Aminy. Ny zavatra rehetra - ny fiangonantsika, ny fitoriana ataontsika, ny Sekoly Sabatantsika, ny sekolintsika dia entina eo amin’ny fony masina. Nahoana no matahotra? Ny faniriana lalina hahita ny fiangonana velona sy mamirapiratra hazavana araka ny fikendren’Andriamanitra azy, dia tsy maintsy halefahan’ny fifandraisana tanteraka amin’Andriamanitra. - RH, 14 Nôv. 1893.FK 341.2

    Voleo ny fahazarana miala sasatra, ka tanteraho ny fanoloranao ny fanahinao eo amin’Andriamanitra, dia eo amin’Ilay Mpamorona mahatoky. Hotsarovany izay natao tamin’ny fahatokiana Azy. Tsy mahafaly Azy ny amenoantsika ny alitarany amin’ny ranomasontsika sy ny fitarainantsika. Efa ampy ny antony hideranao an’Andriamanitra, raha tsy mahita fanahy hafa miova fo ianao. Kanefa hitohy ny asa tsara raha mandroso ianao, ary tsy hanandrana hanao ny zavatra rehetra araka ny hevitrao manokana. Avelao hanjaka ao am-ponareo ny fiadanan’Andriamanitra, ary aoka ho mahatoky ianao. Omeo efitra hiasany ny Tompo. Aza sakanana Izy. Afaka miasa Izy ary hiasa raha avelantsika. - TFC, b. 9, t. 136.FK 341.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents