Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Eo An-Toerana Sy Asa Any Ivelany

    Handroso lavitra amin’ny fomba rehetra ny asa misiônera eo an-toerana raha toa ka toetra feno fahazavam-po sy fandavan-tena ary fahavononana hamoy ny zava-drehetra no aseho ho fampandrosoana ny asa any ivelany. Miankina betsaka amin’ny hery miasa mangina avy amin’ny asa fitoriana atao any amin’ny firenen-davitra any, ary eo ambanin’ny fanapahan’Andriamanitra, ny firoborobon’ny asa eo an-toerana. Amin’ny fiasana amin’ny fomba mahery vaika ho an’ny asan’Andriamanitra no ampifandraisantsika ny fanahintsika amin’Ilay Loharanon’ny hery rehetra. - TFC, b. 6, t. 27.FK 240.1

    Rehefa tafaresaka tamin’ny mpiara-miasa iray ny lehilahy mpandraharaha amerikanina anankiray izay Kristianina mafana fo tokoa, dia nilaza izy fa miasa ho an’i Kristy mandritra ny 24 ora isan’andro. “Eo amin’ny fifaneraserako rehetra,” hoy izy “dia miezaka ny haneho ny Tompoko aho. Miezaka ny hitaona ny hafa ho eo Aminy aho isaky ny misy tombontsoa hahazoana manao izany. Miasa ho an’i Kristy isan’andro aho. Ary amin’ny alina kosa rehefa matory aho, dia manana namana miasa ho Azy any Sina.” Nanampy izao fanazavana manaraka izao izy avy eo: “Efa hatramin’ny fahatanorako aho no vonona hanatanteraka asa misiônera any amin’ny mpanompo sampy. Tsy maintsy nanohy ny asa fandraharahan’ny raiko anefa aho rehefa maty izy mba hamelomana ny ankohonanay. Rehefa tsy ny tenako àry no afaka handeha hanao izany, dia asa misiônera no tohanako. Any amin’ny vohitra iray any amin’ny faritany iray any Sina no misy ilay mpiasako. Noho izany ary, mbola miasa ho an’i Kristy ihany aho na dia matory aza, amin’ny alalan’ilay solontenako.”FK 240.2

    Moa ve tsy mba misy Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito hanao toy izany koa? Avelao ny mambran’ny fiangonana hilaza amin’ireo mpitandrina voatana hiasa ao amin’ny fiangonana izay efa mahalala ny fahamarinana, hoe: “ Mandehana miasa amin’ireo fanahy very ao amin’haizina mha hamonjeny ny fivoriam-bavaka, ka amin’fitoerany ao amin’i Kristy no hikolokoloany ny fianany arapanahy. Hiasa ho an’ireo fanahy akaiky antsika isika, ka hatokantsika ny vavaka atao sy ny fanomezana atolotra mba hanohanana ny mpiasa any amin’ireo saha mahantra kokoa.” - TFC, b. 6, tt. 29, 30 .FK 241.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents