Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahadisoana Mahafaty

    Fahadisoan-kevitra mitera-doza ny mihevitra fa miankina amin‘ny mpitandrina fotsiny ny asa famonjem-panahy. Ny mpino tsotra manokan-tena izay nametrahan‘ny Tompon’ ny tanimboaloboka andraikitra momba ny fanahy dia tokony hampaherezin‘ny olona izay nametrahan‘i Jehôvah andraikitra lehibebe kokoa. Izay mpitarika eo amin‘ny fiangonan’Andriamanitra dia tokony hahatsapa fa omena an‘izay rehetra mino ny anarany ny iraka nampanaovin‘ny Mpamonjy. Handefa olona maro ao amin‘ny tanimboalobony Andriamanitra, izay tsy nohosorana ho mpitandrina tamin‘ny fametrahan-tanana. - VM, t. 99 .FK 96.2

    Fahadisoana lehibe ny fiheverana fa tsy maintsy milonjo ny enta-mavesatra rehetra sy manao ny asa rehetra ny mpitandrina. Rehefa miasa mafy loatra izy, ka torovana sy sasatra, dia mety ho any ambany rangolahy, kanefa raha niaraha-nitondra araka izay nokendren‘ny Tompo ny enta-mavesatra dia mety mbola ho velona izy. Mba hahafahana mizara ny enta-mavesatra, dia tsy maintsy beazina ny fiangonana amin‘ny alalan’ireo izay afaka mampianatra ny mpiasa hanaraka an‘i Kristy sy hiasa tahaka ny niasany. - TFC, b. 6, t. 435.FK 96.3

    Tsy tokony hihevitra ny mpitandrina fa izy avokoa no tokony hanao ny fitorian-teny rehetra sy ny asa rehetra ary ny fivavahana rehetra; tokony hanofana mpanampy ao amin’fiangonana rehetra izy. Aoka ho olona samy hafa no hitarika ny fivoriana sy hamaky ny Baiboly; amin’fanaovana izany no hiantsoana azy ireo hampiasa ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy ireo, ary amin’izay ihany koa no handraisany fiofanana amin’maha-mpiasa azy. - GW, t. 197.FK 97.1

    Tsy tokony hanao ny asa izay an’fiangonana ny mpitandrina, handreraka ny tenany izy amin’izany, ary manakana ny hafa tsy hanao ny adidiny. Tokony hampianatra ny mambra ny fomba hiasana ao amin’fiangonana sy ao amin’fiarahamonina izy. - HS, t. 291.FK 97.2

    Rehefa misy ezaka atao mba hanehoana ny finoantsika amin’tsy mpino, dia mijoro ery aoriana fotsiny matetika ny mambran’fiangonana, toy ny hoe tsy liana amin’zavatra atao izy ireo, ary avelany ho eo an-tsoroky ny mpitandrina irery ny enta-mavesatra rehetra. Izany no antony nahatonga ny asan’ireo mpitandrina mahay indrindra tsy dia niterabokatsoa firy. - GW, t. 196 .FK 97.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents