Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Loza Miara-Dalana Amin’ny Asa Misionera

    — Aoka tsy hohadinointsika fa rehefa mitombo ny fihetsiketsehana atao, ary mahita fahombiazana isika eo amin‘ny fanaovana ny asa izay tsy maintsy tanterahina, dia tandindomin-doza isika hitoky amin‘ny drafitr‘olombelona sy ny fomba fiasan‘olombelona. Lasa manana fironana tsy dia mivavaka firy sy tsy dia manana finoana firy isika. Hotandindomin-doza isika, tsy ho tsapantsika intsony fa miankina amin’ Andriamanitra isika, kanefa Izy irery ihany no afaka mampahomby ny asantsika; na dia izany aza anefa ny fironana, aoka tsy hisy hihevitra fa tokony hanao latsaka noho izay efa natao ny olombelona, izay fitaovana ampiasain’ Andriamanitra. Tsia, tsy tokony hanao latsaka izy, fa tokony hanao mihoatra amin’ fanekeny ny fanomezan‘ny lanitra, dia ny Fanahy Masina izany. - RH, 4 Jol. 1893.FK 138.4

    Ho avy ny fotoana izay hanetsiketsehan‘ny herin’ Andriamanitra ny fiangonana, ka fanaovana asa aminkafanam-po no ho vokatr‘izany; fa ny herin’Fanahy Masina manome aina dia handrisika ny mambran‘ny fiangonana handeha sy hitondra fanahy ho an‘i Kristy. Rehefa miseho anefa izany fihetsiketsehana izany, ny hany fiarovana ny mpiasa mafana fo indrindra dia ny fiankinany amin‘ Andriamanitra amin‘ny alalan’fivavahana aminkafanam-po tsy miato. Ilain‘izy ireo ny mitalaho aminkafanam-po, ka noho ny fahasoavan‘Andriamanitra, dia tsy ho latsaka amin‘ny fireharehana amin‘ny asany izy ireo, na hihevitra ny asa ataony ho mpamonjy. Tsy maintsy mitodika mandrakariva any amin‘i Jesôsy izy ireo, mba hahatsapan‘izy ireo fa ny Heriny no manao ny asa, ary araka izany dia ho hain‘izy ireo ny hanome an’Andriamanitra ny voninahitra rehetra. Hantsoina isika hanao ezaka tsy misy fihambahambana hanitatra ny asan‘ Andriamanitra, ka tena llaina indrindra amin‘ izany ny fivavahana amin‘Ilay Raintsika any an-danitra. Hilaina ny miroso amin‘ny fivavahana ao amin‘ny efitrano sy ao amin‘ny fianakaviana ary ao amin‘ny fiangonana. - RH, 4 Jo! 1893.FK 139.1

    Araka ny fanombanan‘ny raby, dia fara tampon‘ny fivavahana ny misomadodoka lava manao zavatra. Niankina tamin‘ny zava-bita tety ivelany izy, mba hanehoana ny fahambonian‘ny fitiavam-bavaka betsaka teo aminy. Tamin‘izany dia nampisaraka ny fanahiny tamin’Andriamanitra izy, ka nampiorina ny tenany teo amin‘ny fiheveran-tena ho ampy. Mbola misy ankehitriny io loza io. Raha nitombo ny zavatra atao, ka mahita fahombiazana ny olona izay eo amin‘ny fanaovana ny asa ho an’Andriamanitra na inona na inona, dia misy loza amin‘ny fitokisana ny tetik‘asan‘ny olombelona sy ny fomba fiasany. Misy fironana hampihena ny fivavahana, ka manjary mihena koa ny finoany. Tahaka ny mpianatra dia tandindomin-doza tsy hitady ny fiankinana amin’Andriamanitra koa isika fa hiantehitra amin’asantsika mba hahazoam-pamonjena. Ilaintsika ny hibanjina mandrakariva an’i Jesosy, ka hahatsapa fa ny heriny ihany no hahavitana ny asa. Raha miasa amin-kafanam-po ho amin’famonjena ny very isika, dia tsy maintsy manokana fotoana koa handinihan-tena, hivavahana, sy hianarana ny tenin’Andriamanitra. Ny asa atao amim-pivavahana betsaka ihany, sy nohamasinin’fahamendrehan’i Kristy, no hita amin’farany fa nahomby sy nahavokatra indrindra. - IFM, tt. 382,383.FK 139.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents