Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fizaràna Farany Amin’ny Tantara

    Tsy mbola nihatra mihitsy tamin-kery lehibe kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ity hafatra ity. Eo amin’izao tontolo izao dia mitombo hatrany ny fanaovana tsinontsinona ny zavatra takin’Andriamanitra. Nanjary nanamafy fo tamin’tsy fankatoavana ny olona. Saika nahafeno ny fatran’fahamelohana ny faharatsian’mponina eo amin’izao tontolo izao. Saika efa nahatratra ny faritra izay hamelan’Andriamanitra ny mpandrava hiasa eo aminy ny tany. Ny fanoloana ny lalàn’Andriamanitra amin’lalàn’olombelona, ny fanindrahindrana ny alahady ho solon’Sabatan’Baiboly, noho ny fahefan’olombelona fotsiny, izany no fizaràna farany ao amin’tantara. Haneho ny tenany Andriamanitra rehefa tonga maneran-tany izany fanoloana ny Sabata izany. Hitsangana amin’fiandrianany mba hanozongozona amin’fomba mampahatahotra ny tany. Hivoaka avy eo amin’toerany izy mba hamaly araka ny asany ireo mponina eo amin’izao tontolo izao noho ny helony, ary ny tany tsy hanafina intsony ny rany, na hanarona ny maty ao aminy. - TFC, b. 7, t. 141.FK 69.2

    Eo an-katoky ny zava-tsarotra farany isika, ka mifandimbidimby haingana ny fitsaran’Andriamanitra, dia ny hay trano sy ny hay tanety mbamin’ala maro, ny tondra-drano, ny horohorontany, ny ady. Tsy tokony hahagaga antsika ireny rehetra ireny, satria ny anjelin’famindrampo dia tsy ho afaka hiaro maharitra intsony ireo tsy mety mibebaka. - MM, t. 233.FK 70.1

    Manatona antsika tsimoramora ny fotoan-tsarotra. Miposaka eny amin’lanitra ny masoandro, manatanteraka ny fihodinana mahazatra azy, ary ny lanitra dia mbola mitory ny voninahitr’Andriamanitra. Mbola mihinana sy misotro ny olona, mamboly sy manorin-trano, mampaka-bady sy manaiky hampakarina. Mbola mividy sy mivarotra ny mpivarotra. Mbola mifanositosika ny olona, mitady izay toerana ambony indrindra. Mbola mameno ny toerana filalaovana tantara, sy fihazakazahan-tsoavaly ny helon’filokana ny mpitia fahafinaretana. Manjaka ny fientanentanana ambony indrindra, kanefa tsy ho ela dia hifarana ny orampahasoavana, ary horaisina ny fanapahan-kevitra mikasika ny hoavy mandrakizay. Hitan’i Satana fa fohy izany fotoana izany Efa napetrapetrany avokoa ny solotenany rehetra mba hiasa hamitaka sy hanodoka ary hampifalifaly ny olona mandrapahatongan’fiafaran’androm-pahasoavana, ary hikatona mandrakizay ny varavaran’famindrampo. - SW, 3 Okt. 1905 .FK 70.2

    Efa saika mahatratra ny fetrany ny fandikan-dalàna. Mameno izao tontolo izao ny fisavorovoroana, ary tsy ho ela dia ho tonga eo amin’olombelona ny horohoro lehibe. Tena akaiky ny farany. Isika izay mahalala ny fahamarinana dia tokony hiomana amin‘izay zavatra ho avy tsy ho ela eto amin’izao tontolo izao ka hanafotra tampoka. - TFC, b. 8, t. 28.FK 71.1

    Amin’izao fotoana mampanjaka ny ratsy izao dia tokony ho fantatsika fa antomotra ilay andro sarotra lehibe sy farany. Rehefa ny hiaika ny lalàn’Andriamanitra no ataon’olona rehetra, rehefa ny vahoaka no ampijalina sy ampahorin’mpiara-belona aminy, dia hisalovana ny Tompo. - HF, t. 150 .FK 71.2

    Mijoro eo an-tokonam-baravaran’toe-javatra lehibe sy miezinezina isika. Tanteraka ireo faminaniana. Voarakitra ao amin’bokin’ny lanitra ireo toe-javatra hafahafa teo amin’tantara. Misavorovoro ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao. Misy ady sy filazana ady. Tezitra ireo firenena, ary tonga ny fotoana hitsarana ny maty. Miova haingana mihazakazaka mankany amin’Andron’Jehôvah ny toe-javatra. Fotoana fohy sisa tavela. Kanefa na dia efa mitsangana aza ny firenena hamely firenena, sy ny fanjakana hamely fanjakana, dia mbola tsy ny rehetra no mirotsaka an-tsehatra. Mbola hazonina ireo rivotra efatra mandra-panisy tombo-kase ny handrin’mpanompon’Andriamanitra. Avy eo vao hanangona ny heriny rehetra ho amin’ilay ady lehibe farany ny fahefana eto an-tany. - TFC, b. 6, t. 14 .FK 71.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents