Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Fanolorana

    Nanao ezaka ny Departemantan’ny Asa Fampielezamboky sy ny Fanahin’ny Faminaniana, Fivondronamben’ny Federasiona Fiangonana Advantista Ranomasimbe Indianina mba hahatonga eo am-pelatananao, amin’ny tenin-drazantsika, ity bokin’ny Fanahin’ny Faminaniana “TARI-DALANA HO AMIN’NY FANOMPOANA KRISTIANINA MAHOMBY” ity, izay boky efa nandrasantsika ela mba hampiasain’ny fiangonana eo amin’ny sehatra rehetra ahazoantsika manao asa fanompoana kristianina. Raha resy lahatra isika fa nanampy, nanompo i Kristy mba hamonjy, hanavotra ny olona rehetra fony izy tety ambonin’ny tany, dia hitady ny tari-dalana rehetra hahafahana manao tahaka izany koa rehefa Kristianina mpanara-dia azy. Koa vakio, diniho tsara ary ny tari-dalana, mba hahafahantsika manao fampiharana sy manahaka ny toetran’i Kristy, dia ny toetsaim-panompoana sy fahafoizan-tena izany.FK 5.1

    Ity ary misy fanambarana notsongaina tao amin’ireo bokin’ny Fanahin’ny Faminaniana nosoratan-dRamatoa Elle G. White:FK 5.2

    «Ela no niandrasan’Andriamanitra ny toe-tsain’ny fitiavankanompo mba hambabo ny fiangonana manontolo, ka mba hiasan’ny tsirairay avy ho Azy araka ny fahaizany avy. Rehefa samy manao ny asa notendrena hataony avokoa ny mambran’ny fiangonan’Andriamanitra, na any amin’ireo sahan’asa mila izany eo an-toerana izany na any ivelany, mba ho fanatanterahana ny iraky ny filazantsara, dia tsy ho ela izao tontolo izao dia ho voaomana, ary dia hiverina eto amin’ity tany ity amin-kery sy voninahi-dehibe ny Tompo Jesôsy.” AA 111 (1911) {LDE 75.1}FK 5.3

    Ny Baiboly koa dia manan-kambara ho an’izay manao ny asa fanompoana kristianina amim-pahatokiana :FK 5.4

    Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.” -Apôk. 2:19.FK 6.1

    Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raba nanompo ny olona masina bianareo sady mbola manompo ibany.” Heb. 6:10.FK 6.2

    Mino izahay fa ny famakianao ity boky ity dia hiteraka faniriana sy fanapahan-kevitra hanompo an’Andriamanitra sy hanompo ny mpiara-belona, mba hankalazana ny Raintsika izay any an-danitra.FK 6.3

    Elder RAJAONARISON Velomanantsoa,
    Tale Mpiara-miasa,
    Departemantan’Asa Fampielezam-boky sy Fanahin’ny Faminaniana
    Fivondronamben’ny Federasiona Fiangonana Advantista Ranomasimbe Indianina

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents