Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 20 - Manatratra Ireo Mpanan-Karena Sy Ireo To Teny

    Tsy Azo Atao Tsirambina

    Misy asa tokony hatao amin’ny manan-karena. Ilainy ny hofohazina ho amin’ny andraikiny amin’izy nametrahana ny fanomezan’ ny lanitra. Ilainy ny hampahatsiarovina fa tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Ilay hitsara ny velona sy ny maty izy. Mila ny asa ataonao amin’ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra. Matetika loatra izy no matoky ny harenany ka tsy mahatsapa ny loza misy azy. Ilaina ny hisarihana ny fijerin’ny sainy ho amin’ny zavatra misy vidiny maharitra (...) Betsaka ireo manana toerana ambony eo amin’ny fiaraha-monina no mangorohoro ao anatiny sy mararirary ny amin’ny zava-poana eo amin’ny fiainana. Maniry mafy ny hahita fiadanana izay tsy ananany izy. Eo amin’ireo laharana ambony indrindra eo amin’ny fiaraha-monina no misy ireo izay noana sy mangetaheta ny famonjena. Betsaka no handray fampianarana raha manatona azy manokana amin’ny fomba feno fanajana sy amin’ny fo feno ny fitiavan’i Kristy ny mpiasan’ny Tompo. - HF, tt. 197, 198.FK 284.1

    Ireo izay ambony toerana eo amin’izao tontolo izao noho ny fanabeazana azony, noho ny harenany, na noho ny asa ataony, dia mahalana vao iresahana manokana ny mikasika ny tombontsoan’ny fanahiny. Betsaka ny mpiasa kristianina no misalasala hanatona ireo sokajin’olona ireo, hiresaka aminy ny soa mandrakizay mety ho azony. Nefa tsy tokony ho izany no hatao. Raha misy olona latsaka ao anaty rano, dia tsy hijoro eo anilany hijery ny fahafatesany isika satria mahay lalána izy, na mpivarotra, mpitsara. Raha misy olona mirimorimo ho any amin’ny hantsana, dia tsy hisalasala akory isika hihazona azy hiverina, na inona na inona toerana misy azy na asa ataony Ary tsy tokony hisalasala koa isika hampitandrina ny olona ny amin’ny loza mananontanona ny fanahiny. - HF, t. 198.FK 284.2

    Mila miasa amin’ny fanahin’ireo izay eo amin’ny toerana ambony isika; Ilaintsika ny manitatra ny fanasam-pahasoavana hamonjy ny fampakaram-bady amin’izy ireo. - SW, 15 Mar. 1904.FK 285.1

    Sitrak’Andriamanitra raha voaova fo ireo olona manam-bola, ka hiasa ho toy ny tanany manampy hanatrarana ny hafa. Iriny raha mahita ny hasarobidin’ny fahazavan’ny fahamarinana sy ho voaova toetra ireo izay afaka hanampy amin’ny asa fanavaozana sy fanarenana, ka hitarika ho amin’ny fampiasana ny ny renivola nankinina taminy ho amin’ny fanompoana Azy. Tokony hampiasainy ireo fitaovana rehetra nampindraminy azy, amin’ny fanaovana ny tsara, amin’ny fanokafana lalana ho an’ny filazantsara mba hotorina amin’ny saranga akaiky na lavitra. - TFC, b. 9, t. 114.FK 285.2

    Ireo izay anisan’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fiaraha-monina dia tokony hotadiavina amim-pahalemempanahy ary amim-pitiavana ka hokarakaraina amimpirahalahiana. Ny olona manana fiainan’ny mpandraharaha, mitana toeram-pitondrana ambony, ny olona mahay mandinijavatra sy ny olona lalin-tsaina ary ny mpitory ny filazantsara izay tsy mbola nantslina hampitodika ny sainy ho amin’ny fahamarinana manokana ho amin’izao fotoana izao ireo no tokony ho voalohany handre ny antso. Tsy maintsy homena an’ireo ny fiantsoana. - HF, t. 197 .FK 285.3

    Fahadisoana ny tsy nitadiavana hanatratra ireo mpitondra fivavahana sy ny saranga ambony amin’ny fahamarinana. Nandosirana fatratra ireo vahoaka tsy amin’ny finoantsika ireo. Raha tsy tokony hikambana aminy handray ny fanaony isika, dia misy kosa amin’izy ireny any ho any olona mahatoky tokony hiasana amim-pahamalinana, amim-pahendrena, amim-paharanitantsaina, amim-pitiavana feno ny Fanahiny.FK 285.4

    Tokony hisy fanangonam-bola hitaizana lehilahy sy vehivavy hiasa amin’ireny saranga ambony ireny, na ho an’ny eto antoerana na ho an’ny any ivelany - TFC, b. 5, tt. 580, 581.FK 286.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents