Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Tokony Hieritreritra Tsy Fahombiazana Isika

    Tsy tokony hieritreritra, na hiteny akory ny mety ho tsy fahombiazan’ny asa ny mpiasa ho an’i Kristy. I Jesôsy Tompo no fahombiazany amin’ny zavatra rehetra; ny Fanahiny Masina no ho tolo-tsaina ho antsika; ary rehefa mametraka ny ny tenantsika eo am-pelatanany isika ho fantson’ny fahazavana, dia tsy ho ritra mihitsy ny fahalalantsika manao soa. Mety hitondra antsika ho amin’ny fahafenoany izany, ka handraisantsika ny fahasoavany tsy misy fetra. — GW, t. 19.FK 366.2

    (...) Rehefa nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, ka manaraka ny fitarihany amin’ny asantsika, dia izy no hiantoka hahatanteraka izany. Tsy asainy maminavina ny amin’izay ho fahombiazan’ny fiezahana ataontsika amin’ny fo madio isika. Tsy tokony hihevitra tsy fahombiazana isika na dia indray mandeha aza, satria miara-miasa amin’ilay tsy mahalala izany tsy fahombiazana izany. — HF, t. 317.FK 366.3

    Diso fanantenana ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny vidiny nataony taminy ireo lova nofidiny. Irin’Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia tsy nalefany ny Zanany hanao iraka mandany be toy izany hanavotana azy ireo. Manana ny hampiasany azy Izy, ka mahafaly Azy ny hanaovan’izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany. — IFM, t. 720.FK 367.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents