Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 9 - Antso Ho Amin’ny Fifohazana Ireo Baiko

    Aoka hanakoako ao amin’ fiangonantsika ny hafatry ny filazantsara, izay miantso ho amin’asa maneran-tany. Aoka hanana finoana mitombo ny mambran’fiangonana izay mahazo hafanam-po avy amin’ireo mpiara-miasa tsy hita maso avy any an-danitra, avy amin’fahalalana tsy manampahataperana ananan’izy ireo, avy amin’halehibeazan’asa izay irotsahan’izy ireo an-tsehatra, ary avy amin’fahefan’Mpitarika azy ireo. Ireo izay mametraka ny tenany eo ambany fifehezan’ Andriamanitra, mba hotarihiny sy hotoroany lalana, dia ho tafiditra ao amin’ fihodinan’ toe-javatra mafy orina izay nobaikony mba hiseho. Nahazo tsindrimandry avy amin’Fanahin’Izay nanome ny Ainy ho fiainana ho an’izao tontolo izao, dia tsy hijoro intsony amin’tsy fahafahana hanao na inona na inona izy ireo mampiseho izay tsy azon’izy ireo atao. Handroso ho amin’ ady izy ireo mitafy ny fiadian’ lanitra ary sahy ny hiasa ho an’ Andriamanitra, amin’fahafantarana fa ny heriny tsy manam-petra no hanampiana izay ilainy. - TFC, b 7, t. 14.FK 108.1

    Andeha isika hifoha! Mafana ny ady. Manakaiky ny fifanandrinana farany ny fahamarinana sy ny fahadisoana. Andeha isika hamindra eo ambany faneva mihosin-dran’Printsy Imanoela, ary hiady ny ady tsaran’finoana, ary hahazo ny voninahitra mandrakizay; satria handresy ny fahamarinana, ary hanoatra noho ny mpandresy isika amin’alalan’Ilay tiantsika. Mikatona ny oram-pahasoavana sarobidy. Aoka isika hanao ny asa ho amin’fiainana mandrakizay, mba hahafahantsika manome voninahitra ny Raintsika izay any an-danitra, ary ho fitaovana famonjena ireo fanahy izay nahafatesan‘i Kristy. - RH, 13 Mar. 1888.FK 108.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents