Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antokon’Olona Afa-Po Amin’ny Tenany

    Naseho teo anoloako ny antokon’olona iray izay mahatsapa fa manana fironana halala-tanana izy ireo, fahatsapana fa tokony hanolo tena, ary manana fitiavana hanao ny tsara; kanefa dia tsy manao na inona na inona. Manana fihetsehampo afa-po amin’tenany izy ireo, ary mandoka ny tenany fa raha manana tombontsoa azo hararaotina na fotoana mety izy ireo dia afaka hanao asa tsara sy lehibe; kanefa dia miandry foana izany fotoana mety izany izy ireo. Manao tsinontsinona ireo kahihitra tery saina izay zara raha manome ampahany kely ny mahantra izy ireo. Hitan’izy ireo fa velona ho an’tenany izy, ary tsy antsoina hiala amin’tenany ka hanao soa amin’hafa, ho fitahiana ho azy ireo amin’alalan’talentan’hery miasa mangina sy ny fananana izay napetraka taminy mba hampiasaina amin’zavatra tsara fa tsy hampiasaina tsy amin’antony, na avela ho harafesina, na alevina any ambanin’tany Ireo izay manolotra ny tenany amin’fahihirany sy ny fitiavan-tenany dia mbola hampamoahina amin’asany, ary ho tompon’andraikitra amin’ireo talenta nampiasainy tsy amin’antony Kanefa ho bebe kokoa ny andraikitr’ireo izay manana fironana ny halalatanana sy manana fironana haingana ny hanavaka ny zavatra ara-panahy, raha toa ka mijanona tsy manao na inona na inona izy ireo, miandry ny fotoana mety izay heveriny fa mbola tsy tonga ihany, kanefa dia mampitaha ny fahavononan’izy ireo hanao sy ny faneken’ireo kahihitra, ary mihevitra izy ireo fa tsaratsara kokoa ny toerana misy azy ireo noho iretsy namany tsy mahafoy ny fananany. Mamitaka ny tenany izy ireo. Ny fananana fotsiny ireo toetra tsara kanefa tsy ampiasaina, dia mampitombo fotsiny ihany ny andraikitr’izy ireo; ary raha mbola manohy tsy mampiasa ho amin’tsara ny talentan’Tompo izy ireo, na mitahiry izany, dia tsy tsara noho iretsy namany izay esoiny ny toerana misy azy. Ho azy ireo no hilazana hoe: «Fantatrao ny sitrapon’Tomponao, kanefa dia tsy nanao izany ianao” - TFC, b. 2, tt. 250,251 .FK 49.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents