Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mianatra Eo Am-Panaovana

    Ilaina amin’fanabeazana feno tanteraka ny hanomezana fotoana an‘ireo mpianatra hanao asa misiônera - fotoana izay hifankazarany amin’ireo filàna ara-panahin‘ny fianakaviana eo amin‘ny fiaraha-monina manodidina azy ireo. Tsy tokony hovesarana be loatra amin‘ny fianarana izy ireo ka tsy hanana fotoana hampiasana ireo fahalalana azony. Tokony hampirisihina izy ireo hanao ezaka misiônera amin-kafanam-po ho an‘ireo izay ao anatin‘ny fahadisoana, hifankazatra amin‘izy ireo, ary hitondra azy ireo ho amin’fahamarinana. Amin‘ny alalan’fiasana ombam-panetrentena, mikatsaka ny fahendrena avy amin‘i Kristy, mivavaka sy miambina amim-bavaka no ahafahany manome ho an’hafa ny fahalalana izay hampanan-karena ny fiainan‘izy ireo. - CTFC, tt. 545, 546 .FK 91.1

    Araka izay azo atao, dia tokony hirotsaka an-tsehatra amin’asa eny an-tanàn-dehibe ny mpianatra mandritra ny taompianarana. Tokony hanao asa misiônera eo amin‘ny vohitra sy tanàna manodidina azy izy ireo. Afaka mamorona tarika ho amin’asa fanampiana kristianina izy ireo. Tokony hanana fijery mivelatra ny adidiny amin’Andriamanitra ankehitriny ny mpianatra. Tsy natao hiandry fotoana, aorian‘ny fahavitan’taom-pianarana, vao hanao asa lehibe ho an’Andriamanitra, fa tokony hianatra ny fomba fiaraha-mitondra zioga amin’i Kristy eo amin’asa fanompoana tsy ombampitiavan-tena ho an‘ny hafa mandritra ny fiainana maha-mpianatra azy. - CTFC t. 547 .FK 91.2

    Tsy ampy ny mameno ny sain’tanora amin‘ny lesona manan-danja lalina; tsy maintsy mianatra ny hizara izay noraisiny izy ireo. - CTFC, t. 545 .FK 91.3

    Tokony ho avy ao amin‘ny sekolintsika sy ny toerampiofanana no ivoahan’ireo misiônera izay hirahina hoFK 91.4

    any an-tany lavitra. Raha mbola ao an-tsekoly, dia aoka ny mpianatra hanatsara ireo tombontsoa azo hararaotina rehetra hiomanana ho amin’izany asa izany. Ao no tokony hitsapana sy hisedrana azy ireo, mba ho hita ny fahaizany mifandrindra amin’toe-javatra, na nahazo ny antso avy any ambony izy ireo. - CTFC, t. 549.FK 92.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents